Wikipedia:Fandraisana
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
|
Lahatsoratra 97 262 amin’ny teny malagasy |
Takelak’ity volana ityRajoelina Andry, avy amin' ny anarany feno Rajoelina, Andry Nirina dia mpanao pôlitika manam-piaviana malagasy, mizaka ny zom-pirenena frantsay[1], izay filohan' i Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 2019. Teraka tamin' ny 30 Mey 1974 izy. Nitantana ny Tetezamita izy hatramin' ny taona 2009 ka hatramin' ny 2014 taorian' ny krizy pôlitika sy fanonganam-panjakana notohanan' ny miaramila izy[2].
Talohan' ny nidiran-dRajoelina tamin' ny pôlitika dia nirotsaka tamin' ny fandraharahana teo amin' ny sehatra tsy miankina i Rajoelina, anisan' izany ny orinasa mpanao pirinty sy dokam-barotra antsoina hoe Injet tamin' ny taona 1999 sy ny tambajotran' ny radiô sy fahitalavitra Viva tamin' ny taona 2007. Izy no nanangana ny antoko politika Tanora Gasy Vonona (TGV) ary lany ho ben' ny tanànan' Antananarivo nandritra ny herintaona, nanomboka tamin' ny 12 Desambra hatramin' ny 3 Febroary 2009 mialoha ny namindrany ny fahefana amin' i Michèle Ratsivalaka izay nosoloina koa an' i Edgard Razafindravahy avy any Ambohimalaza toa an' i Rajoelina. Nandritra izany dia nitarika ny hetsika nanoherana ny filoha Marc Ravalomanana izay ka niafara tamin' ny krizy pôlitika tamin' ny taona 2009 izany. Notendren' ny filankevitra miaramila ho filohan' ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT) i Rajoelina, tamin' ny alalan' ny hetsika izay nosokajin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena ho fanonganam-panjakana. Nanao fianianana amin' ny maha filohan' ny Tetezamita azy izy tamin' ny 21 Marsa 2009 na dia tsy nankatoavin' ny fianakaviam-be iraisam-pirenena aza izany. Noravan-dRajoelina ny Antenimieran-doholona sy ny Antenimieram-pirenena, ary namindra ny fahefan' izy ireo tamin' ny rafitra vaovao isan-karazany miandraikitra ny fanaraha-maso ny tetezamita mankany amin' ny fahefana vaovao manaja ny lalàmpanorenana. Nifanohitra tamin' ny dingana nateraky ny fanelanelanana iraisam-pirenena izay nikendry ny hananganana governemanta tetezamita izany. Nankatoavin' ny mpifidy ny lalàmpanorenana vaovao tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka nahabe resaka tamin' ny Nôvambra 2010, izay nampiditra an' i Madagasikara ao amin' ny Repoblika fahefatra. Nitana ny maha filohan' ny FAT azy hatramin' ny fifidianana solombavambahoaka tamin' ny taona 2013 i Andry Rajoelina ka tsy nametra-pialana raha tsy tamin' ny taona 2014. Nandrombaka ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2018 izy ary nanao fianianana ho filohan' i Madagasikara tamin' ny 19 Janoary 2019. Tafiditra tao anatin' ny fe-potoam-piasany ny valanaretina Covid-19 teto Madagasikara, izay nampielezany vaovao diso sy nampandrosoany fitsaboana tsy voaporofo momba ity aretina ity. Namely ny firenena koa ny krizy ara-tsakafo tamin' ny 2021 sy ny rivodoza Batsirai. (tohiny...)
Lahatsoratra tsara vakianaNy Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia firenena ao Afrika Afovoany. Izy no firenena ao Afrika ngeza indrindra eo aorian' i Sodàna sy i Aljeria; izy koa no firenena ngeza indrindra sy be mponina indrindra ao Afrika Afovoany. Iantsoana azy koa ny hoe Kôngô-Kinshasa mba tsy hifangaroany amin' i Kôngô-Brazzaville. I Kinshasa no renivohiny, avy eo no niavian' ilay anarana hoe Kôngô-Kinshasa. I Zaira koa no anaran' io firenena io tamin' ny 1971 hatramin' i 1997, teo izy niova Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no firenena be mponina indrindra ao amin' ny fikambanan' ny firenena miteny frantsay eo alohan' i Frantsa.
|
Sarin’ny anio
Ny vaovao Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]
EfemeridaMbola tsy misy ankehitriny ny pejy mikasika ny Zoma 17 Mey ao amin'ny efemerida. Ka raha tianao dia azonao ampiana na foronina ity pejy ity. Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny. Aloha ny mamorona pejy efemerida ianao, vakio ny toromarika (tsindrio eto raha te-hijery azy amin'ny teny anglisy) |
Manana ny tohan'ny Wikimedia Foundation ireo volavola :
Meta-Wiki Toerana iraisan'ny fikambanan'ny tetikasa rehetra |
Wikibolana Raki-bolana malalaka |
Wikigazety Gazety malalaka (incubator) | |||||
Wikiboky Lahatsoratra sy boky malalaka |
Wikitanisa raki-pitanisana |
Wikifamakiam-boky famakiam-boky | |||||
Wikiversite Komonitia Pedagôjika |
Wikispecies Tetikasa iraisana |
Wikimedia Commons Toerana ametrahana ny rakitra Multimedia |
- ↑ "Madagascar : le président Rajoelina est bien français", Le Monde.fr, 15 juin 2023 (vakio eto [tahiry], notsidihina tamin' ny 15 juin 2023)
- ↑ "Madagascar: island even more isolated after coup". Csmonitor.com.