Wikipedia:Fandraisana
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
|
Lahatsoratra 97 120 amin’ny teny malagasy |
Takelak’ity volana ityNy ahidambo dia bozaka maniry mandavan-taona, manindrona amin' ny alalan' ny voniny rehefa antitra, sady mipetaka amin'ny lamba izany voniny izany, maniry amin'ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany eto amin' izao tontolo izao. Ao amin' ny fianakaviana Poaceae no misy azy. Heteropogon contortus na Andropogon contortus no anarany ara-tsiansa. Izy no tena fahita betsaka ao amin' ny fatrana aty Madagasikara, atao hoe danga. Ity bozaka ity dia mamorona vondrona mahatratra 75 ka hatramin' ny 120 sm eo ho eo rehefa mamony. Mitsangana sy manify ary tsotra (na misy rantsana iray na roa) ny tahony. Ny ravina dia mifandimby, 2-5 mm ny sakany ary hatramin' ny 15 sm ny halavany. Ny kambin-tsikiny dia misy tsibolo. Ny raviny ambony dia matetika no manarona ny fototry ny sofim-boany. Ny fototra ahidambo iray dia mitondra sofim-boany iray na vitsivitsy. Ny sofim-boany tsirairay, izay tery sy miendrika varingarina, dia mirefy 3 hatramin'ny 7 sm raha tsy isaina ny volony. Amin' ny fahamasahany, ny voan' ny ahidambo, ny fonony, ny volony, ny tsilony ary ny raviny dia mitambatra boribory ka entin' ny rivotra na miraikira amin' ny volom-biby na amin' ny lamban' ny olona. Ny voan' ny ahidambo dia voamadinika. (tohiny...)
Lahatsoratra tsara vakianaNy Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia firenena ao Afrika Afovoany. Izy no firenena ao Afrika ngeza indrindra eo aorian' i Sodàna sy i Aljeria; izy koa no firenena ngeza indrindra sy be mponina indrindra ao Afrika Afovoany. Iantsoana azy koa ny hoe Kôngô-Kinshasa mba tsy hifangaroany amin' i Kôngô-Brazzaville. I Kinshasa no renivohiny, avy eo no niavian' ilay anarana hoe Kôngô-Kinshasa. I Zaira koa no anaran' io firenena io tamin' ny 1971 hatramin' i 1997, teo izy niova Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no firenena be mponina indrindra ao amin' ny fikambanan' ny firenena miteny frantsay eo alohan' i Frantsa.
|
Sarin’ny anio
Ny vaovao Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]
EfemeridaMbola tsy misy ankehitriny ny pejy mikasika ny Alarobia 24 Aprily ao amin'ny efemerida. Ka raha tianao dia azonao ampiana na foronina ity pejy ity. Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny. Aloha ny mamorona pejy efemerida ianao, vakio ny toromarika (tsindrio eto raha te-hijery azy amin'ny teny anglisy) |
Manana ny tohan'ny Wikimedia Foundation ireo volavola :
Meta-Wiki Toerana iraisan'ny fikambanan'ny tetikasa rehetra |
Wikibolana Raki-bolana malalaka |
Wikigazety Gazety malalaka (incubator) | |||||
Wikiboky Lahatsoratra sy boky malalaka |
Wikitanisa raki-pitanisana |
Wikifamakiam-boky famakiam-boky | |||||
Wikiversite Komonitia Pedagôjika |
Wikispecies Tetikasa iraisana |
Wikimedia Commons Toerana ametrahana ny rakitra Multimedia |