Sema

Avy amin'i Wikipedia
I Sema sy i Hama ary i Jafeta, nataon'i James Tissot (1904)

I Sema dia olona resahina ao amin'ny Baiboly. Zanak'i Noa sady rahalahin'i Hama sy Jafeta izy. Izy no razamben'i Ebera razamben'i Abrahama. Niaraka tamin'i Noa rainy mbamin'ireo rahalahiny sy ny vadiny ary ireo vadin-drahalahiny tao anaty sambofiara izy nandritra ny safodrano nandripaka ny zava-manana aina teto amonin'ny tany.

Indray andro, taorian'ny safodrano, raha mamon-divay i Noa dia nampitafy lamba azy mba tsy hahita ny fitanjahany i Sema sy Jafeta fa i Hama kosa efa nijery ny fitanjahan-drainy taohan'izany. Rehefa nisava ny hamamoan'i Noa dia notsofiny rano i Sema sy i Jafeta ho lasa ho tompon'i Kanana zanak'i Hama fa i Kanana kosa ho andevon'izy ireo.

Ny zanak'i Sema dia i Elama sy i Asira (na Asora) sy i Arpaksada sy i Loda ary i Arama. I Jesoa dia taranak'i Sema.

Avy amin'ny anaran'i Sema ny anaram-bondron'ireo fiteny atao hoe semitika na ny anaran'ny vondrom-poko atao hoe Semita.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]