Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 95 900 amin’ny teny malagasy
Gagaoza manao fitafiana nentim-paharazana

Ny Gagaoza na Gagaozy dia vahoaka torkika avy any Balkana ary monina (hatramin' ny taona 1828) ao Budjak -- any amin’ ny tapany atsimon' i Môldavia (Gagauzia, Distrikan' i Taraclia, Distrikan' i Basarabeasca) sy any atsimo-andrefana amin' i Okraina -- faritra manan-tantara iarahan' i Môldavia sy Okraina ankehitriny.  Amin' ny teny gagaoza dia atao hoe Gagaozlar izy ireo. Kristiana ôrtôdôksa tatsinanana ny ankamaroan' ny Gagaoza.

Ny Gagaoza dia niseho teo amin' ny tantara nandritra ny taonjato faha-13 tany Balkana, manodidina an' i Serres sy Varna. Mety ho avy amin' ny Ôgoza miteny torkika, mpikarama an' ady tao amin' ny Empiran' i Bolgaria Faharoa izy ireo, izay tsy mozilmana, fa nifindra avy amin' ny tengrisma ho any amin' ny kristianisma, angamba tamin' ny vanimpotoana mitovy amin' ny vitsy anisa nanjakazaka tamin' ny aristôkrasia prôtô-bolgariana, tamin' ny taona 864, na angamba taty aoriana. Ny Oğuzlar ("Ôgoza"), teny tiorka midika hoe "omby", dia nizara ho fokom-pianakaviana sivy tany am-boalohany, dia ny Tokuz Oğuzlar (“Ogoza sivy”), mizara ho foko 24 avy amin' ireo zanak' i Oğuz Khân enina. Ny tsirairay amin' izy enin-dahy: i Kün (“Masoandro”), i Ay (“Volana”), i Yildiz (“Kintana”), i Kök na Gök (“Lanitra”), i Dağ (“Tendrombohitra”) ary i Dengiz (“Ranomasina”), dia nitarika antokona fokom-pianakaviana efatra izay samy nanondro ny tenany amin' ny tôtemam-pokom-pianakaviana (vorona mpihaza, biby masina, sakafo manokana na famantarana masina). Ny Gagaoza dia mahatsiahy ny lanitra izay niavian' ny anarany tany am-boalohany hoe Gök Oğuz ("Ôgoza manga" na "Ôgozan' ny lanitra"). Nandritra ny taonjato maro, ny foko ôgoza hafa dia nifindra avy amin' ny tengrisma izay narahin' ny razambeny ka nankany amin' ny manikeisma, amin' ny nestôrianisma, amin' ny bodisma ary farany, ho an' ny ankamaroany, amin' ny finoana silamo. Nampifandraisina tamin' ny Bardariôta ihany koa ny Gagaoza. (tohiny...)


Sarin-tanin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô

Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia firenena ao Afrika Afovoany. Izy no firenena ao Afrika ngeza indrindra eo aorian' i Sodàna sy i Aljeria; izy koa no firenena ngeza indrindra sy be mponina indrindra ao Afrika Afovoany. Iantsoana azy koa ny hoe Kôngô-Kinshasa mba tsy hifangaroany amin' i Kôngô-Brazzaville. I Kinshasa no renivohiny, avy eo no niavian' ilay anarana hoe Kôngô-Kinshasa. I Zaira koa no anaran' io firenena io tamin' ny 1971 hatramin' i 1997, teo izy niova Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no firenena be mponina indrindra ao amin' ny fikambanan' ny firenena miteny frantsay eo alohan' i Frantsa.


Ny tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia voamariky ny fisian' ny fisian' ny fanjakana maro madinidinika tany aloha, ny fahatongavan' ny Eorôpeana, ny fivarotana andevo, ny fanjanahan-tany belza, ny fahaleovan-tena, ny ady an-trano, ny fanonganam-panjakana, ny fitsabahan' ny firenena mpifanolo-bodirindrina, ary ny fizorana mankany amin' ny demôkrasia.


Efa nisy olona ity faritra ity tamin' ny 200 000 taona tal. J.K. Ny lemaka midadasika kôngôley tamin’ izany fotoana izany dia rakotry ny ala tsy nisy nanimba. Tany amin’ ny taonarivo faharoa dia nisy mpamboly banto, avy any amin' ny faritra eo anelanelan' ny tapany atsinanan' i Nizeria sy ny Grassfields any Kamerona, hatramin' ny 2600 tal. J.K., niditra tao amin’ io faritra io ka niorim-ponenana amin’ ny morontsiraka sy teny amin’ ny lembalemba atsinanana sy atsimo, ka teny izy ireo no nanangana fiarahamonina tarihin’ ny lehibem-poko.

Nisy ny fanjakà-mpanjaka niorina koa teo anelanelan' ireo taonjato voalohany taor. J.K. sy ny taonjato faha-15, ka ny lehibe indrindra amin' ireo dia ny Fanjakan' i Loba (Luba) sy ny Fanjakan' i Londa (Lunda) ary ny fanjakan' i Kôngô (Kongo). Tamin’ ny taona 1482 dia nifandray voalohany tamin’ ny fanjakà-mpanjaka banto tao Kôngô (Kongo) ny Pôrtogey. (tohiny...)


Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]


Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

 

 

 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia