Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 95 742 amin’ny teny malagasy
Kinana

Ny kinana dia zavamaniry amin’ ny tany manana toetanin-jana-pehin-tany ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae. Izy no ahazoana ny menaka kinana, izay ampiasaina amin’ ny fomba isan-karazany, misy poizina koa izy. Matetika izy io no ambolena mba hanaingoana tanàna na trano. Ricinus communis no anarany ara-tsiansa ary izy no hany karazana amin' ny vondron-karazana Ricinus.

Miseho amin' ny endrika ahitra na hazomadinika ny kinana, maniry isan-taona na maharitra arakaraka ny toetany amin' ny faritra aniriany. 1 ka hatramin' ny hatramin' ny 13 metatra ny haavony.

Ny raviny dia tahaka ny ratsan-tanana (5 ka hatramin' ny 12 ny fisampanany), eny amin’ ny taho lava. Maitso na mena izy ireo. Ny karazana fanaovaa haingon-tanàna sasany dia misy raviny miloko mena ny ambany.

Mivondrona ny voniny ka ny vony vavy eo ambony ary ny vony lahy eo ambany. Amin' ny fahavaratra ny kinana no mamony.

Misy hodiny misy tsilotsilo (indraindray tsy misy) ny voany. Mamirapiratra ny vihiny, miloko mena na manja, misy tsipika misongadina sahala vombony. Misy menaka 40 % hatramin’ ny 60 % izay misy trigliserida ny voan’ ny kinana. Ny karazana manana voa lehibe kokoa ihany no ampiasaina amin' ny famokarana menaka, fa ny voa madinika dia matetika tsy tsara hahazoana menaka. (tohiny...)


Sarin-tanin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô

Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia firenena ao Afrika Afovoany. Izy no firenena ao Afrika ngeza indrindra eo aorian' i Sodàna sy i Aljeria; izy koa no firenena ngeza indrindra sy be mponina indrindra ao Afrika Afovoany. Iantsoana azy koa ny hoe Kôngô-Kinshasa mba tsy hifangaroany amin' i Kôngô-Brazzaville. I Kinshasa no renivohiny, avy eo no niavian' ilay anarana hoe Kôngô-Kinshasa. I Zaira koa no anaran' io firenena io tamin' ny 1971 hatramin' i 1997, teo izy niova Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no firenena be mponina indrindra ao amin' ny fikambanan' ny firenena miteny frantsay eo alohan' i Frantsa.


Ny tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia voamariky ny fisian' ny fisian' ny fanjakana maro madinidinika tany aloha, ny fahatongavan' ny Eorôpeana, ny fivarotana andevo, ny fanjanahan-tany belza, ny fahaleovan-tena, ny ady an-trano, ny fanonganam-panjakana, ny fitsabahan' ny firenena mpifanolo-bodirindrina, ary ny fizorana mankany amin' ny demôkrasia.


Efa nisy olona ity faritra ity tamin' ny 200 000 taona tal. J.K. Ny lemaka midadasika kôngôley tamin’ izany fotoana izany dia rakotry ny ala tsy nisy nanimba. Tany amin’ ny taonarivo faharoa dia nisy mpamboly banto, avy any amin' ny faritra eo anelanelan' ny tapany atsinanan' i Nizeria sy ny Grassfields any Kamerona, hatramin' ny 2600 tal. J.K., niditra tao amin’ io faritra io ka niorim-ponenana amin’ ny morontsiraka sy teny amin’ ny lembalemba atsinanana sy atsimo, ka teny izy ireo no nanangana fiarahamonina tarihin’ ny lehibem-poko.

Nisy ny fanjakà-mpanjaka niorina koa teo anelanelan' ireo taonjato voalohany taor. J.K. sy ny taonjato faha-15, ka ny lehibe indrindra amin' ireo dia ny Fanjakan' i Loba (Luba) sy ny Fanjakan' i Londa (Lunda) ary ny fanjakan' i Kôngô (Kongo). Tamin’ ny taona 1482 dia nifandray voalohany tamin’ ny fanjakà-mpanjaka banto tao Kôngô (Kongo) ny Pôrtogey. (tohiny...)


Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]


Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

 

 

 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia