Nizeria

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Federal Republic of Nigeria ((en))
Jamhuriyar Taraiyar Nijeriya ha
Njíkötá Óchíchìiwù Naíjíríà ig
Àpapọ̀ Olómìnira ilẹ̀ Nàìjíríà yo
Repoblika Federalin'i Nizeria ((mg))
Sain'i Nizeria Mari-piandrian'i Nizeria
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Unity and Faith, Peace and Progress
(Firaisana, Finoana, Fandriam-pahalemana ary Fivoarana)
Nigeria (orthographic projection).svg
Teny ofisialy Anglisy
Tenim-pirenena

Haosa
Igbo
Yoroba

Renivohitra Abuja
9°10′N 7°10′E / 9.167°N 7.167°E / 9.167; 7.167
Tanàna lehibe indrindra Lagos
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
- Filoha andefitra
Repoblika Fedelady
Muhammadu Buhari
Yemi Osinbajo
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 32
923 768 km²
1,4 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2012)
 - hakitroka
faha 7
170 123 740 mpo.
184.2 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Nizerianina
IDH (2011) midina 0,448 (ambany) faha-142
Sandam-bola Naira (NGN)
Faritr'ora UTC +1
Hiram-pirenena Arise Oh Compatriots,
Nigeria's Call Obey
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+234

I Nizeria na Nijeria (amin' ny fiteny anglisy: Nigeria), izany hoe Repoblika Federalin' i Nizeria (amin' ny teny anglisy Federal Republic of Nigeria), dia firenena ao amin' ny Afrika Afovoany-Andrefana, izay misy fanjakana miisa 36, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velaran-tany mirefy 923 768 km². Mamaritra azy avy ao avaratra i Nizera, avy ao atsinana i Tsady sy i Kamerona, ary ao andrefana i Benîno. I Abuja no renivohiny (nanomboka ny taona 1991) nefa ny tanàna lehibe indrindra amin' ny raharaham-barotra dia i Lagos.

Anjakan' ny lembalemba mivelatra maro izay vakivakian-korian-drano ny vohon' ny tanin' i Nizeria, isan' ireo korian-drano ireo ny ony Niger izay manavasava an' io firenena io avy avaratra mianatsimo alohan' ny hivarinany any amin' ny hoalan' i Ginea.

I Nizeria no firenena be mponina indrindra aty Afrika, ary i Logos dia anisan' ireo tanàna lehibe indrindra maneran-tany. Ahitana vondrom-poko maro ny ao amin' io firenena io, ka ny lehibe indrindra dia ny Haosa, ny Folany, ny Iôroba ary ny Ibô. I Nizeria no firenena be mponina indrindra ao Afrika, izay nisy mponiny miisa 162 000 000 tamin' ny taona 2011.

Niompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Nizeria talohanan' ny nahitany tahirin-tsolitany voajanahary tamin' ireo taona 1970 izay nampitombo ny harin-kareny. Mampidi-bola betsaka any Nizeria ny vokatra kakaô izay mametraka azy ho eo amin' ny laharana fahenina maneran-tany. Na dia firenena manan-karena aza i Nizeria amin' ny famokarany solitany be dia be, dia mahantra ny ankamaroan' ny mponina ao amin' ilay firenena. Ny antony mahatonga izay dia ny fisian' ny kolikoly. Na dia izany aza, firenena faharoa lehibe indrindra ara-toekarena i Nizeria, aorian' i Afrika Atsimo ary eo alohan' i Ejipta.

Ny fiteny ôfisialy dia ny fiteny anglisy, tenim-pirenena kosa ny fiteny iôroba sy ny fiteny igbô ao atsimo ary ny fiteny haosa izay tenenina any amin' ny faritra avaratra ao Nizeria.

Mikambana ao amin' ny Commonwealth i Nizeria. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialiny.

Ny fifidianana izay nitranga tamin' ny taona 2011 no lazain' ny fianankaviambe iraisam-pirenena fa malalaka sy mangarahara indrindra hatry ny fahaleovan-tenan' ilay firenena tamin' ny 1960.

Jeôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny helodranon' i Ginea no misy an' i Nizeria. Ny halava manontolon' ny sisintanin' i Nizeria dia 4 047 km; ary 853 km no halavan' ny morontsirak' i Nizeria. Ny firenena mizara sisintany amin' i Nizeria dia i Kamerona sy i Nizera ary i Tsady.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Foko ao Nizeria: Jiosy igbô


Kôntinenta eto an-tany


Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.