Fanjakana

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny fanjakana dia vondro-mponina mipetraka amin' ny fari-tany (tanim-pirenena) voafaritra sady eo ambany fifehezan' ny fitondram-panjakana (governemanta) iray. Amin' ny lafiny fandaminana dia endri-pandaminana ampiasain' ny fiarahamonina ny fanjakana mba hitarihany sy hitantanany ny tenany. Eo amin' ny lafiny lalàna, ny fanjakana dia fitambaran' ny fahefana sy fahafaha-manery ananan' ny firenena amin' ny olom-pirenena sy ny isam-batan' olona, ​​mba hampanjakana ny tombontsoan' ny besinimaro, izany hoe ny tombontsoam-bahoaka na ny soa iombonana.

Eo amin' ny lafiny lalàna sy araka ny lalàna iraisam-pirenena, ny fanjakana manana ny fiandrianany dia voafaritry ny tanim-pireneny, ka ao anatin' izany ny lalàny dia mihatra amin' ny mponina ao aminy, sady ahitana andrim-panjakana mampihatra fahefana. Ny maha-ara-dalàna an' io fahefana io amin' ny ankapobeny dia tsy maintsy miorina - farafaharatsiny ho an' ny fanjakana lazaina hoe demôkratika - amin' ny maha masi-mandiny ny vahoaka na amin' ny fiandrianan' ny firenena.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]