Senegaly

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Sainam-pirenen' i Senegaly
I Senegaly ao Afrika
Sarin-tanin' i Senegaly

I Senegaly dia firenena ao Afrika Andrefana, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velaran-tany mirefy 196 722 km². I Dakar no renivohiny. Manodidina tanteraka an' i Gambia i Senegaly. Iva ny tanin' i Senegaly, izay vakivakin' ny ony Sénégal (mirefy 1 600 km, manasaraka azy amin' i Maoritania ao avaratra) sy ny ony Gambia (ao atsimo).

Ny tapany avaratra amin' i Senegaly dia ao amin' ny faritr' i Sahel, izay rakotra hivoka anirian-kazo madinika, ny tapany atsimo kosa dia rakotra alan-jana-pehin-tany mikitroka sy mando. Manana toetanin-jana-pehin-tany i Senegaly.

Ny vahoaka senegaley dia ahitana vondrom-poko maro, ka ny lehibe aminy dia ny Oôlôfo, ny Peola ary ny Malinke. Ny fivavahana silamo no fivavahan' ny vahoaka maro anisa any.

Miopana amin' ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren' i Senegaly, indrindra ny fambolena voanjo. Anisan' ny asa fiveloman' ny maro any koa ny jono. Monina amorontsiraka ny ankamaroan' ny mponina, indrindra any amin' ny faritra afovoany misy fambolena voanjo. Anisan' ny olana eo amin' ny fambolena ny haintany. Mampandroso ny fambolena voatabia sy vary ary fary koa ny any Senegaly. Mandroso ihany koa ny sehatry ny fizahàn-tany.

Zanatany frantsay taloha i Senegaly izay nahazo ny fahaleova-tenany tamin' ny taona 1960. Ny fiteny ôfisialy ao dia ny fiteny frantsay, ny fiteny oôlôfo, ny fiteny serere, ny fiteny mande ary ny fiteny peola.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan'i Kôngô - Repoblikan'i Afrika Afovoany - Repoblikan'i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany