Wikipedia:Fandraisana

Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 95 116 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

LocationDRCongo.svg

Ny Repoblika Demokratikan' i Kôngô dia firenena ao amin' ny faritr' i Afrika Afovoany. Izy no firenena ao Afrika ngeza indrindra eo aorian' i Sodàna sy i Aljeria; izy koa no firenena ngeza indrindra sy be mponina indrindra ao amin' ny faritr' i Afrika afovoany. Iantsoana azy koa ny hoe Kôngô-Kinshasa mba tsy hifangaroany amin' i Kôngô-Brazzaville. I Kinshasa no renivohiny, avy eo no niavian' ilay anarana hoe Kôngô-Kinshasa. I Zaira koa no anaran' io firenena io tamin' ny 1971 hatramin' i 1997, teo izy niova Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no firenena be mponina indrindra ao amin' ny fikambanan' ny firenena miteny frantsay eo alohan' i Frantsa.

Ny tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia voamariky ny fisian' ny fisian' ny fanjakana maro madinidinika tany aloha, ny fahatongavan' ny Eorôpeana, ny fivarotana andevo, ny fanjanahan-tany belza, ny fahaleovan-tena, ny ady an-trano, ny fanonganam-panjakana, ny fitsabahan' ny firenena mpifanolo-bodirindrina, ary ny fizorana mankany amin' ny demôkrasia.

Efa nisy olona ity faritra ity tamin' ny 200 000 taona tal. J.K. Ny lemaka midadasika kôngôley tamin’ izany fotoana izany dia rakotry ny ala tsy nisy nanimba. Tany amin’ ny taonarivo faharoa dia nisy mpamboly banto, avy any amin' ny faritra eo anelanelan' ny tapany atsinanan' i Nizeria sy ny Grassfields any Kamerona, hatramin' ny 2600 tal. J.K., niditra tao amin’ io faritra io ka niorim-ponenana amin’ ny morontsiraka sy teny amin’ ny lembalemba atsinanana sy atsimo, ka teny izy ireo no nanangana fiarahamonina tarihin’ ny lehibem-poko.

Nisy ny fanjakam-panjaka niorina koa teo anelanelan' ireo taonjato voalohany taor. J.K. sy ny taonjato faha-15, ka ny lehibe indrindra amin' ireo dia ny fanjakan' i Loba (Luba) sy ny fanjakan' i Londa (Lunda) ary ny fanjakan' i Kôngô (Kongo). Tamin’ ny taona 1482 dia nifandray voalohany tamin’ ny fanjaka-mpanjaka banto tao Kôngô (Kongo) ny Pôrtogey. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny tsimokaretina coronavirus

Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Vehivavy telo avy any Frantsa no hita fa mararin' io aretina io rehefa nidina avy tamin' ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka notsapaina hafanana. Raikitra avy hatrany ny fandraisana fepetra toy ny fanajanonana ny sidina rehetra avy any ivelany (fanambaràna tamin' ny 17 Marsa 2020) mandritra ny 30 andro manomboka ny 20 Marsa 2020, ny fanentanana ny vahoaka hihiboka ao amin' ny toeram-ponenany avy, ny fijerena ny mari-panan' ireo olona anaty fiara mbola niala na niditra ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr' i Madagasikara, ny fampiatoana ny fitateram-bahoaka, ny fanakatonana ny toeram-piasana mety hahitana olona maro ary ny fanakatonana ny sekoly sy ny toeram-pivavahana.

Misy fiantraikany ara-tsosialy ny fahatafidiran' io valanaretina io eto Madagasikara sy ireo fepetra tsy maintsy noraisin' ny fanjakana, ka isan' izany ny fisondrotry ny vidin' entana sasany, ny fahasahiran' ireo mpitrongy vao homana, ny fahaverezan' asan'ny olona maro, ny fijalian' ireo olona avy na mandalo ao Antananarivo na Toamasina ka mikasa hody any amin' ny faritra hafa, na ireo mikasa hody ao Antananarivo na ao Toamasina avy any amin' ny faritra hafa.

Ny Institut Pasteur eto Madagasikara no misahana ny fitiliana ny aretina tamin' ny voalohany, ka ny hôpitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no misahana ny fanaraha-maso ny fivoaran' ny aretin' ireo olona tazomina ao. Rehefa nitombo ny tranga dia natsangana koa ny toerana maro hanaovana fizaham-pahasalamana sy handraisana ny mararin' ny Covid-19.

Arakaraka ny fisehon' ny olana no itadiavan' ny fitondram-panjakana paikady hamahana ny olana misy eo amin' ny fiarahamonina, isan' izany ny famelomana ny "Tsena Mora" sy ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an' ny sokajin' olona heverina fa marefo. Nanampy ny firenena malagasy ara-tsosialy koa ny fikambanana sy ny firenena sasany avy any an-dafy.

Ho takalon' ny fiarovana ny olona tsy ho azon' ilay valanaretina dia niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagsikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be aza. (tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ny anio

Ardea purpurea, Tarn, France, 2012.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 



Fiteny