Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 94 953 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Ny ankamaroan' ny Mikea dia monina ap amin' ny Ala Mikea eo anelanelan' i Toliara sy i Morombe

Ny Mikea dia vahoaka malagasy monina any anaty ala amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara izay mivelona amin' ny fihinanana zavamaniry sy biby any anaty ala, izay mpihaza sy mpioty. Mipetraka ao amin' ny Ala Mikea izy ireo. Ny ankamaroan' ny Mikea dia avy amin' ny Sakalava, ary misy olona avy amin' ny foko malagasy isan-karazany hita ao amin' ny Mikea. Ny tobin' ny fianakavian' ny Mikea dia mifindra isan-taona avy amin' ny faritra fambolen-katsaka eo amin' ny sisin' ala amin' ny fotoan' ny orana mankamin' ny ala anatiny misy trandraka sy biby fihaza maro hafa amin' ny fizaràn-taona maina, ka lasa miankin-doha be amin' ny fakan-javamaniry fihinana izy ireo mba hahazoany ny rano tadiaviny isan' andro. Mifampiankina amin' ny fiainan' ny Vezo mpanjono mpifanolo-bodirindrina aminy sy ny Masikoro mpamboly sy mpiandry omby, izay ivarotany ny vokatra azony, nohadiny na novoleny tany anaty ala, ny Mikea. Maro koa ny Mikea manao asa fikaramana indraindray, toy ny fiandrasana omby na ny fikarakarana ny tanim-barin' ny olona hafa.

Ny Mikea amin' izao fotoana izao dia tsy hoe ny sisa tavela tamin' ny Malagasy mpihaza sy mpioty fahiny, fa taranak' olona nialokaloka tany anaty ala nanomboka tamin' ny taona 1800 mba handositra ny ady sy ny hetra mavesatra ary ny antony hafa mampahory azy. Ny fomba fiainan' izy ireo, izay heverin' ny mponina hafa ho toy ny ntaolontaolo, dia miampy ny zava-miafina momba azy ireo izay nanentana ny fiforonan' ny sy angano isan-karazany. Heverin' ny olona sasany fa izy ireo no Vazimba lazain' ny lovantsofina fa mponina tany am-boalohany teto amin' ny Nosy, na dia tsy misy porofo manamarina izany. Tsy mitovy amin' ny Beosy mpihaza any amin' ny tant avo be tendrombohitra izy ireo. Raha olona 1 500 eo ho eo no fantatra amin' ny anarana hoe Mikea, maro amin' ny Malagasy no tsy mino fa mbola misy izany vahoaka mikea izany amin' izao fotoana izao.

(tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny tsimokaretina coronavirus

Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Vehivavy telo avy any Frantsa no hita fa mararin' io aretina io rehefa nidina avy tamin' ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka notsapaina hafanana. Raikitra avy hatrany ny fandraisana fepetra toy ny fanajanonana ny sidina rehetra avy any ivelany (fanambaràna tamin' ny 17 Marsa 2020) mandritra ny 30 andro manomboka ny 20 Marsa 2020, ny fanentanana ny vahoaka hihiboka ao amin' ny toeram-ponenany avy, ny fijerena ny mari-panan' ireo olona anaty fiara mbola niala na niditra ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr' i Madagasikara, ny fampiatoana ny fitateram-bahoaka, ny fanakatonana ny toeram-piasana mety hahitana olona maro ary ny fanakatonana ny sekoly sy ny toeram-pivavahana.

Misy fiantraikany ara-tsosialy ny fahatafidiran' io valanaretina io eto Madagasikara sy ireo fepetra tsy maintsy noraisin' ny fanjakana, ka isan' izany ny fisondrotry ny vidin' entana sasany, ny fahasahiran' ireo mpitrongy vao homana, ny fahaverezan' asan'ny olona maro, ny fijalian' ireo olona avy na mandalo ao Antananarivo na Toamasina ka mikasa hody any amin' ny faritra hafa, na ireo mikasa hody ao Antananarivo na ao Toamasina avy any amin' ny faritra hafa.

Ny Institut Pasteur eto Madagasikara no misahana ny fitiliana ny aretina tamin' ny voalohany, ka ny hôpitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no misahana ny fanaraha-maso ny fivoaran' ny aretin' ireo olona tazomina ao. Rehefa nitombo ny tranga dia natsangana koa ny toerana maro hanaovana fizaham-pahasalamana sy handraisana ny mararin' ny Covid-19.

Arakaraka ny fisehon' ny olana no itadiavan' ny fitondram-panjakana paikady hamahana ny olana misy eo amin' ny fiarahamonina, isan' izany ny famelomana ny "Tsena Mora" sy ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an' ny sokajin' olona heverina fa marefo. Nanampy ny firenena malagasy ara-tsosialy koa ny fikambanana sy ny firenena sasany avy any an-dafy.

Ho takalon' ny fiarovana ny olona tsy ho azon' ilay valanaretina dia niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagsikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be aza. (tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ny anio

Mustoja.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia