Wikipedia:Fandraisana
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
|
Lahatsoratra 94 741 amin’ny teny malagasy |
Takelak’ity volana ityNy Fiangonana Loterana Evanjelika ao Amerika na Fiangonana Loterana ara-Pilazantsara ao Amerika dia fiangonana loterana lehibe indrindra ao Etazonia, teraka tamin' ny 01 Janoary 1988 vokatry ny fitambaran' ny antokom-piangonana loterana telo, ka ahitana mpino vita batisa miisa 3 400 000 tamin' ny taona 2017, tao amin' ny fiangonana isan-toerana (kongregasiona) miisa 9 091. Atao hoe Evangelical Lutheran Church in America (ELCA) izy amin' ny teny anglisy. Manana ny foibeny ao Chicago Illinois any Etazonia io fiangonana io. Tamin' ny taona 2015 dia nilaza ny Pew Research Center fa ny 1,4 % ny mponin' i Etazonia dia mpinon' ny ELCA. Izy no fiangonana lehibe fahafito raha ny isan' ny mpino ao aminy no heverina sady fiangonana loterana lehibe indrindra ao Etazonia izy. Ny 97 %n' ny mpivavaka ao dia fotsy hoditra. Ny fiangonana loterana manarakaraka azy ao Amerika dia Fiangonana Loterana – Sinodan'i Missouri na Lutheran Church–Missouri Synod (LCMS), izay misy mpino 2 000 000 eo ho eo, sy ny Sinoda Loterana Evanjelika ao Winsconsin na Wisconsin Evangelical Lutheran Synod (WELS), izay manana mpino 360 000 eo ho eo. Maro koa ireo fiangonana loterana madinika ao Etazonia ka ny sasany aminy dia ireo tsy nankasitraka ny firaisan' ny fiangonana telo notanterahina tamin' ny taona 1988. Ny ELCA no azo lazaina fa fiangonana mihataka indrindra amin' ny fomban' ny loteranisma nifandovana hatramin' izay, raha mitaha amin' ireo fiangonana loterana lehibe roa hafa ao Etazonia, dia ny LCMS sy ny WELS. Ny ELCA dia mikambana ao amin’ ny Filankevitra Ekiomenikan' ny Fiangonana (anglisy: World Council of Churches; frantsay: Conseil œcuménique de Eglises), amin' ny Filankevitra Nsionalin' ny Fiangonan' i Kristy ao Etazonia (anglisy: National Council of Churches of Christ in the USA) ary amin' ny Fiangonana Loterana Eran-Tany (anglisy: Lutheran World Federation; frantsay: Fédération Luthérienne Mondiale). Ny ELCA dia mifandray sy miara-miasa tanteraka amin' ny Fiangonana episkôpaly (Episcopal Church), ny Fiangonana moraviana (Moravian Church), ny Fiangonana presbiteriana - Etazonia (Presbyterian Church (USA)), ny Fiangonana nohavaozina ao Amerika (Reformed Church in America), ny Fiangonan' i Kristy miray (United Church of Christ), ary ny Fiangonana metôdista miray (United Methodist Church). (tohiny...)
Lahatsoratra tsara vakianaTamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Vehivavy telo avy any Frantsa no hita fa mararin' io aretina io rehefa nidina avy tamin' ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka notsapaina hafanana. Raikitra avy hatrany ny fandraisana fepetra toy ny fanajanonana ny sidina rehetra avy any ivelany (fanambaràna tamin' ny 17 Marsa 2020) mandritra ny 30 andro manomboka ny 20 Marsa 2020, ny fanentanana ny vahoaka hihiboka ao amin' ny toeram-ponenany avy, ny fijerena ny mari-panan' ireo olona anaty fiara mbola niala na niditra ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr' i Madagasikara, ny fampiatoana ny fitateram-bahoaka, ny fanakatonana ny toeram-piasana mety hahitana olona maro ary ny fanakatonana ny sekoly sy ny toeram-pivavahana. Misy fiantraikany ara-tsosialy ny fahatafidiran' io valanaretina io eto Madagasikara sy ireo fepetra tsy maintsy noraisin' ny fanjakana, ka isan' izany ny fisondrotry ny vidin' entana sasany, ny fahasahiran' ireo mpitrongy vao homana, ny fahaverezan' asan'ny olona maro, ny fijalian' ireo olona avy na mandalo ao Antananarivo na Toamasina ka mikasa hody any amin' ny faritra hafa, na ireo mikasa hody ao Antananarivo na ao Toamasina avy any amin' ny faritra hafa. Ny Institut Pasteur eto Madagasikara no misahana ny fitiliana ny aretina tamin' ny voalohany, ka ny hôpitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no misahana ny fanaraha-maso ny fivoaran' ny aretin' ireo olona tazomina ao. Rehefa nitombo ny tranga dia natsangana koa ny toerana maro hanaovana fizaham-pahasalamana sy handraisana ny mararin' ny Covid-19. Arakaraka ny fisehon' ny olana no itadiavan' ny fitondram-panjakana paikady hamahana ny olana misy eo amin' ny fiarahamonina, isan' izany ny famelomana ny "Tsena Mora" sy ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an' ny sokajin' olona heverina fa marefo. Nanampy ny firenena malagasy ara-tsosialy koa ny fikambanana sy ny firenena sasany avy any an-dafy. Ho takalon' ny fiarovana ny olona tsy ho azon' ilay valanaretina dia niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagsikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be aza. (tohiny...) |
Sarin’ny anio
Ny vaovao Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]
EfemeridaMbola tsy misy ankehitriny ny pejy mikasika ny Sabotsy 21 Mey ao amin'ny efemerida. Ka raha tianao dia azonao ampiana na foronina ity pejy ity. Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny. Aloha ny mamorona pejy efemerida ianao, vakio ny toromarika (tsindrio eto raha te-hijery azy amin'ny teny anglisy) |
Manana ny tohan'ny Wikimedia Foundation ireo volavola :
Meta-Wiki Toerana iraisan'ny fikambanan'ny tetikasa rehetra |
Wikibolana Raki-bolana malalaka |
Wikigazety Gazety malalaka (incubator) | |||||
Wikiboky Lahatsoratra sy boky malalaka |
Wikitanisa raki-pitanisana |
Wikifamakiam-boky famakiam-boky | |||||
Wikiversite Komonitia Pedagôjika |
Wikispecies Tetikasa iraisana |
Wikimedia Commons Toerana ametrahana ny rakitra Multimedia |