Eorôpa

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

I Eorôpa dia kôntinenta hita manontolo ao amin' ny ila-bolantany avaratra sady manana ny ampahany be amin' ny taniny ao amin' ny ila-bolantany atsinanana, izay voafaritry ny kôntinentan' i Azia avy ao atsinanana, ny Ranomasina Mediteranea avy ao atsimo, ny Ranomasimbe Atlantika sy ny Ranomasin' i Nôrvezy avy ao andrefana, ary ny Ranomasimbe Arktika avy ao avaratra i Eorôpa. Matetika dia zaraina ho faritra efatra i Eorôpa ka ahitana an' i Eorôpa Avaratra, i Eorôpa Andrefana, i Eorôpa Afovoany, i Eorôpa Atsinanana ary i Eorôpa Atsimo.

I Eorôpa dia tenenina matetika fa anisan' ny kôntinenta enina misy eto an-tany. Izy io dia ny faritra andrefana amin' i Eorazia na faritra avaratra ao amin' ny kôntinentan' i Afrô-Eorazia, arakaraky ny fomba fijery. Ny solonanarany dia hoe "Tontolo Antitra", satria mifanohitra amin' ny "Tontolo Vaovao" (zany hoe i Amerika). Ao Eorôpa dia misy kolontsaina maromaro manana fianjadiana ary lova iraisany.

I Eorôpa dia kôntinenta faharoa kely indrindra eto an-tany amin' ny lafiny velaran-tany (10,18 tapitrisa km2), na 2 %-n' ny velaran' ny tany maina na 6,8 %-n' ny velaran-tan' ny Tany. Misy firenena dimampolo ao Eorôpa, ary i Rosia no ngeza indrindra amin' ireo na amin' ny lafiny isa-mponina na amin' ny lafiny velaran-tany, ary i Vatikàna no firenena kely indrindra amin' ireo, na amin' ny lafiny isa-mponina na amin' ny lafiny velaran-tany. I Vatikàna koa no firenena kely indrindra eto an-tany.

Araka ny Firenena Mikambana, dia mety milatsaka ho 7 % ny tahan' ny isan' ny mponina ao Eorôpa amin' ny 2050 raha 25 % izany tamin' ny taona 1900, 25 %.

Ny Tampolin'i Apollo

Any Eorôpa, ny Gresy taloha no toerana nahaterahan' ny kolontsaina eorôpeana. Nahazo lanja ny firenena eorôpeana tamin' ny taonjato faha-16, indrindra taorian' ny fiantombohan' ny fanjanahan-tany. Teo anelanelan' ny taonjato faha-16 sy ny taonjato faha-20, ny firenena eorôpeana dia nanana zanatany tany Amerika, indrindra tamin' ny taonjato faha-17 sy faha-18, tao amin' ny ankabeazan' i Afrika, tao Ôseania, ary tao amin' ny tapany avaratra sy atsimon' i Azia. Ny Ady Lehibe rehetra dia niainga avy tao Eorôpa, nampahazo lanja an' i Etazonia sy ny Firaisana Sôvietika teo anivon' ny taonjato faha-20. Nandritra ny Ady mangatsiaka dia voazara roa i Eorôpa: ny faritra andrefana dia ao amin' ny OTAN ary ny faritra atsinanana dia entin' ny Fifaneken' i Varsôvia, nampihidy ny Fiaro Vy ("Rideau de Fer" amin' ny teny frantsay).

Firenena ao Eorôpa[hanova | hanova ny fango]

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Gibraltara - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlandy - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra na Kiprôsy) - Krôatia (na Krôasia) - Letônia - Liechtenstein - Litoania - Loksemborga - Makedônia Avaratra - Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Romania - Rosia - Saint-Martin - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Torkia - Tsekia (na Repoblika Tseky) - Vatikàna

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo kontinenta

Ireo faritra ao Eorôpa