Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 94 246 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Ny Sola scriptura dia ainga fototra ao amin' ny fiangonana prôtestanta maro, izay milaza fa ny Baiboly no fahefana fara tampony sady tokana no tsy mety diso tsy maintsy ankatoavin' ny Kristiana sy ny Fiangonana amin' ny finoany sy ny fiainana maha Kristiana azy. Araka io ainga fototra io dia ny Baiboly no mirakitra ny tenin' Andriamanitra ka izy irery ihany no manana fahefana ara-teôlôjia sady mpanoro lalana ho an' ny finoana sy ny fiainana. Izany no fintinina amin' ny hoe "ny Soratra Masina irery ihany". Ny "Baiboly" resahina eto dia ny Baiboly prôtestanta izay tsy ahitana ireo boky ataon' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa hoe deoterôkanônika.

Ny andian-teny hoe "Sola scriptura" dia midika hoe "amin' ny alalan' ny soratra irery" sady adikan' ny teôlôjiana prôtestanta miteny malagasy amin' ny hoe "Soratra Masina irery ihany". Misy dimy ireo andian-teny manomboka amin' ny teny hoe Sola ka iray amin' izany ny "Sola scriptura" (vakio hoe: Sôla skriptora").

Na dia maro ireo fahefana miankina mampita ny hevitry ny Soratra Masina, isan' izany ny fampianaran' ny antokom-piangonana tsirairay sy ny fanekem-pinoana ekiomenika ary ny kônsilin' ny fiangonana katôlika, ny Sola Scriptura dia mitsipaka ny fahefana hafa rehetra mety ho heverina fa tsy mety diso ankoatra ny Baiboly. Noho izany, ireo fahefana miankina dia avy amin' ny fahefan' ny Soratra Masina ka noho izany mety hiharam-panitsiana raha ampitahaina amin' ny Baiboly. Ny kônsilin' ny fiangonana, ny mpitoriteny, ny mpanao heviteny amin' ny Baiboly, ny fanambaràna azon' ny olona manokana na ny hafatra lazaina fa azo avy amin' ny anjely na avy amin' ny apôstôly dia tsy heverina ho fahefana voalohany ankoatry ny Baiboly, araka ny Sola Scriptura.

Iray amin' ireo fototra ara-poto-pampianarana nohazonin' ireo mpanitsy fivavahana (na refôrmatora) maro teo amin' ny fanitsiam-pivavahana prôtestanta (refôrmasiôna) ny Sola Scriptura, dia ireo mpanavao fivavahana izay nampianatra fa ny fahamarinan' ny Soratra Masina dia fehezin' ny hatsaran' ny lahatsoratra azo fantarina, sady fehezin' ny fijoroana vavolombelona manokan' ny Fanahy Masina ao amin' ny fon' ny olona.

Ny fiangonana ara-pilazantsara sy batista sasany dia manantitra mafy ity foto-pampianarana Sola Scriptura ity: ny Soratra Masina no manamarina ny Soratra Masina, mazava ho an' ny mpamaky matsilo saina, ny Soratra Masina ihany no manome ny hevitry ny Soratra Masina (manazava ny tenany), sady ampy ho fahefana farany amin' ny foto-pampianarana kristiana[1].

Etsy andaniny, ny anglikanisma sy ny metôdisma, izay samy heverina fa endriky ny prôtestantisma, dia manohana ny foto-pampianaran' ny Prima Scriptura[2] [3], ka ny Soratra Masina amin' izany dia hazavain' ny lovam-pinoana (tradisiona) sy ny saina ary ny zava-misy iainana, ka mameno ny lafy efatra ao amin' ny metôdisma, dia ny efadafin' i Wesley.

(tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny tsimokaretina coronavirus

Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Vehivavy telo avy any Frantsa no hita fa mararin' io aretina io rehefa nidina avy tamin' ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka notsapaina hafanana. Raikitra avy hatrany ny fandraisana fepetra toy ny fanajanonana ny sidina rehetra avy any ivelany (fanambaràna tamin' ny 17 Marsa 2020) mandritra ny 30 andro manomboka ny 20 Marsa 2020, ny fanentanana ny vahoaka hihiboka ao amin' ny toeram-ponenany avy, ny fijerena ny mari-panan' ireo olona anaty fiara mbola niala na niditra ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr' i Madagasikara, ny fampiatoana ny fitateram-bahoaka, ny fanakatonana ny toeram-piasana mety hahitana olona maro ary ny fanakatonana ny sekoly sy ny toeram-pivavahana.

Misy fiantraikany ara-tsosialy ny fahatafidiran' io valanaretina io eto Madagasikara sy ireo fepetra tsy maintsy noraisin' ny fanjakana, ka isan' izany ny fisondrotry ny vidin' entana sasany, ny fahasahiran' ireo mpitrongy vao homana, ny fahaverezan' asan'ny olona maro, ny fijalian' ireo olona avy na mandalo ao Antananarivo na Toamasina ka mikasa hody any amin' ny faritra hafa, na ireo mikasa hody ao Antananarivo na ao Toamasina avy any amin' ny faritra hafa.

Ny Institut Pasteur eto Madagasikara no misahana ny fitiliana ny aretina tamin' ny voalohany, ka ny hôpitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no misahana ny fanaraha-maso ny fivoaran' ny aretin' ireo olona tazomina ao. Rehefa nitombo ny tranga dia natsangana koa ny toerana maro hanaovana fizaham-pahasalamana sy handraisana ny mararin' ny Covid-19.

Arakaraka ny fisehon' ny olana no itadiavan' ny fitondram-panjakana paikady hamahana ny olana misy eo amin' ny fiarahamonina, isan' izany ny famelomana ny "Tsena Mora" sy ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an' ny sokajin' olona heverina fa marefo. Nanampy ny firenena malagasy ara-tsosialy koa ny fikambanana sy ny firenena sasany avy any an-dafy.

Ho takalon' ny fiarovana ny olona tsy ho azon' ilay valanaretina dia niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagsikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be aza. (tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ny anio

Düsseldorf, Rheinturm -- 2015 -- 8127.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 



  1. What Does Sola Scriptura Mean? 2015
  2. "Methodist Beliefs: In What Ways Are Lutherans Different from United Methodists?". Wisconsin Evangelical Lutheran Synod.
  3. Humphrey, Edith M. (2013). Scripture and Tradition: What the Bible Really Says. Grand Rapids, Michigan: Baker Academic.ISBN 978-1-4412-4048-4, p. 16.