Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
lahatsoratra 93 578 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Fiteny malagasy

Ny fiteny malagasy dia tenim-pirenen'ny Repoblikan'i Madagasikara. Ny teny malagasy dia ao amin'ny fianankavian-tenin'ny teny barito (ao amin'ny teny aostronezianina). Any Banjarmasin, nosin'i Kalimantan (Indonezia) no foiben'ny fiteny barito. Ny teny akaikikaikin'ny teny malagasy ankehitriny dia ny fiteny maaniany. Misy koa ny fiteny samihima sy ny fiteny dosona deiaha sns. Ny fiteny malay izao no teny miasa eo amin'io nosy io. Araka ny antontanisan'ny Akademia malagasy dia ny 83,61% dia tsy miteny afatsy ny teny malagasy.

Ny endriky ny teny malagasy dia tsy tahaka ireo fiteny ao Afrika satria io fiteny io dia ao amin'ny vondrona malaiô-pôlineziana, sampan'ny vondrona aostrôneziana. Ny fiavian'ny teny malagasy dia fantatr'ireo mpandini-piteny hatry ny taonjato faha-19. Ny teny malagasy dia mitovy vondrom-piteny amin'ny fiteny baritô avy amin'ny faritany atsimo atsinanan'ny Nosy Bôrneô. Betsaka ny fitovizan'ny teny malagasy amin'ny fiteny ma'aniany, fiteny tenenina eo amin'ny faritry ny renirano Baritô, ao atsimon'i Bôrneô. Lazaina fa mponina aotrôneziana avy amin'ny tamba-nosy maley nandalo tany Bôrneô no nipetraka teto Madagasikara, na dia tsy fantatra aza ny anton'io fifindrana io. Taonjato maro taty aoriana, nifangaro tamin'ny Arabo sy ny Masombika (Afrikana avy amin'ny tontolo soahily) ny mponina aostrôneziana. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny tsimokaretina coronavirus

Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Vehivavy telo avy any Frantsa no hita fa mararin' io aretina io rehefa nidina avy tamin' ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka notsapaina hafanana. Raikitra avy hatrany ny fandraisana fepetra toy ny fanajanonana ny sidina rehetra avy any ivelany (fanambaràna tamin' ny 17 Marsa 2020) mandritra ny 30 andro manomboka ny 20 Marsa 2020, ny fanentanana ny vahoaka hihiboka ao amin' ny toeram-ponenany avy, ny fijerena ny mari-panan' ireo olona anaty fiara mbola niala na niditra ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr' i Madagasikara, ny fampiatoana ny fitateram-bahoaka, ny fanakatonana ny toeram-piasana mety hahitana olona maro ary ny fanakatonana ny sekoly sy ny toeram-pivavahana.

Misy fiantraikany ara-tsosialy ny fahatafidiran' io valanaretina io eto Madagasikara sy ireo fepetra tsy maintsy noraisin' ny fanjakana, ka isan' izany ny fisondrotry ny vidin' entana sasany, ny fahasahiran' ireo mpitrongy vao homana, ny fahaverezan' asan'ny olona maro, ny fijalian' ireo olona avy na mandalo ao Antananarivo na Toamasina ka mikasa hody any amin' ny faritra hafa, na ireo mikasa hody ao Antananarivo na ao Toamasina avy any amin' ny faritra hafa.

Ny Institut Pasteur eto Madagasikara no misahana ny fitiliana ny aretina tamin' ny voalohany, ka ny hôpitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no misahana ny fanaraha-maso ny fivoaran' ny aretin' ireo olona tazomina ao. Rehefa nitombo ny tranga dia natsangana koa ny toerana maro hanaovana fizaham-pahasalamana sy handraisana ny mararin' ny Covid-19.

Arakaraka ny fisehon' ny olana no itadiavan' ny fitondram-panjakana paikady hamahana ny olana misy eo amin' ny fiarahamonina, isan' izany ny famelomana ny "Tsena Mora" sy ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an' ny sokajin' olona heverina fa marefo. Nanampy ny firenena malagasy ara-tsosialy koa ny fikambanana sy ny firenena sasany avy any an-dafy.

Ho takalon' ny fiarovana ny olona tsy ho azon' ilay valanaretina dia niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagsikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be aza. (tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ny anio

Elisabethkirche Schneeberg color corr.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao, Brexit[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia