Sambatra

Avy amin'i Wikipedia

Ny sambatra dia famoran-jaza faobe atao any amin' ny faritra sasan-tsasany ato Madagasikara, indrindra any amin' ny faritra atsinanana. Fotoana ahafahan' ny zazalahy hiditra ho isan' ny lehilahy eo amin' ny fiarahamonina misy azy izany. Ny foko antambahoaka no tena mankalaza azy io indrindra, isaky ny fito taona mandritra ny efatra herinandro no anatanterahana izany. Amin' ny fankalazana azy dia manakoako ny antsa arahin' amponga hazolahy sy antsiva.

Amin' ny fanombohan' ny lanonana dia roahina ny fanahy ratsy eran' ny tanàna, asiana haingo sarin-boromailala vosokitra ny vovonan' ny trano. Omanina ny akanjo miloko mena hisaloran' ireo ankizilahy hoforana sy ny tsihy hanatanterahana ny fandidiana. Maka rano any an-drenirano masina ny zatovo mba hanasana ny fery, ka rehefa miverina izy ireo dia manao sarin' ady ny olona eo an-tanàna sady manao izay hanonganana ny voatavo misy ny rano avy eny amin' ireo zatovo ireo. Mirohotra milahatra mankany amin' ny vinanin-drano eny amin' ny tora-pasika ny iray tanàna. Ny anadahin-dreny manao antsangory ny zazalahy hoforana izay miakanjo mena sy misatroka mena. Manipy rano masina amin' ny zazalahy forana ireo ampanjaka. Mandritra ny lanonana dia mitafy lamba sy mirandrana ary misatroka rofia ny vehivavy ka mangata-pitahiana mandra-pahatanterahan' ny fandidiana.