Wikipedia:Fandraisana
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
|
lahatsoratra 92 915 amin’ny teny malagasy |
Takelak’ity volana ityNy Filazantsara araka an'i Marka, na Vaovao Mahafaly araka an'i Marka, na Evanjeky araka an'i Masindahy Marka dia faharoa amin'ny Filazantsara ao amin'ny Testamenta Vaovao ao amin'ny Baiboly. Ny asa nataon'i Jesosy (na Jesoa) no tian'ny mpanoratra hampitaina: asehony i Jesosy eo am-panatanterahana ny asany amin'ny fanasitranana ny marary, amin'ny fampitomboana isa ny mofo ho an'ny vahoaka. Izany asa izany dia tantarain'ny mpanorara mma hnaporofo anyny maha avy amin'Andriamanitra an'i Jesosy. Tsy latsaky ny 18 ny isan'ireo fahagagana tantarainy. Ao amin'ny andininy voaoohany fotsiny dia efa milaza sahady ny mpanoratra fa i Jesosy no "Zanak'Andriamanitra" (Mar. 1.1) ary any amin'ny faran'io Vaovao Mahafaly io dia taterin'ny mpanoratra ny resak'ilay manamboninahitra miaramila romana teo am-pototry ny hazofijaliana hoe: "Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io" (Mar. 15.39). Asehin'ny mpanorarta koa fa ny fahagagana nataon'i Jesosy dia tsy nataony hitadiavany laza: Fantatr'i Jesosy fa tsy maintsy hijaly izy. Izany no nahatonga ny mpanoratra haneho ny fiainan'i Jesosy ho toy ny fiomanany amin'ny hahafatesany. Im-betsaka i Jesosy no manambara mialoha ny hijaliany sy ny hahafatesany. Amin'ny mpanoratra dia vaovao tsara izany fahafatesany izany satria mahatanteraka ny faminanian'i Isaia (Isaia 53.12): avy izy "hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro" (Marka 10.45) sady araka ny efa nambarany dia hitsangana amin'ny maty izy satria tsy afaka ny hitoetra ao am-pasana ny Zanak'Andriamanitra. Ny Filazantsaran'i Marka dia nosoratana ho an'ireo Kristiana avy amin'ny Jentilisa (na Jentily) izay tokony hanazavana tsara ireo fitenenana avy amin'ny fiteny arameana sy hebreo ary tokony hanazavana ny fomba amam-panao jiosy. Isan'ireo Filazantsara sinoptika ny Filazantsaran'i Marka. Teo anelanelan'ny taona 60 sy 75 no nanoratana azy. (tohiny...)
Lahatsoratra tsara vakianaNy tetiandro malagasy dia tetiandro nampiasain'ny Malagasy talohan'ny nampiasany ny tetiandro gregoriana nentin'ireo vazaha sady mbola ampiasaina amin'ny sehatry ny fanandroana. Araka ny hevitry ny maro dia tetiandro manara-bolana ny tetiandro malagasy[1]. Tsy tokana anefa ny tetiandro malagasy fa maro vokatry ny fiaviany sy ny fiovany isam-paritra[2]. Avy amin'ireo tetiandro indiana tranainy sy ny fampanjariana anaram-bolana ny anaran'antokon-kintana arabo ireo tetiandro malagasy ireo[2]. Izany no mahatonga ny anaram-bolana sasany hitovitovy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny haikintana na fanandroana indiana amin'ny teny sanskrita fa ny sasany kosa, izay sady fantatry ny maro, dia avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny haikintana arabo. Avy amin'ny tetiadro arabo ny anaran'ny andro ao amin'ny herinandro. Misy 28 na 29 na 30 andro ny iray volana amin'ny tetiandro malagasy[3]. Ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy voalohany dia avy amin'ny fanandroana indiana fa rehefa nisy Arabo nandalo sy nonina teto Madagasikara dia niova ho amin'ny fanandroana arabo na nifangaro aminy izany. Noho ny fitovizana misy eo amin'ny anaram-bolana sy ny anaram-bintana malagasy dia tsy nampiasaina ireo anarana ireo rehefa nahazo vahana ny kolontsaina tandrefana sy ny fivavahana kristiana nefa notazomina ihany ny anaran'andro. Izany ihany koa no tsy ampiasana ny teny hoe tetiandro izay nosoloana ny hoe kalandrie na alimanaka. Ny anaram-bolana vazaha ao amin'ny tetiandro gregoriana ampiasain'ny Malagasy amin'izao, na Kristiana na tsy Kristiana, anefa misy ifandraisany koa amin'ny fivavahana amin'andriamanitra maro na amin'ny fivavahan'ny mpanompo sampy. Mba hahazoana tsara ny momba ny tetiandro malagasy izay manaraka ny fihodin'ny Volana dia tokony havahana ka hosarahana aminy ny fanandroan-kintana izay miankina amin'ny antokon-kintan'ny zodiaka. Isan-taona dia manonta boky kely misy ny alimanaka malagasy ny mpanandro maro na ny mpamokatra mpiara-miasa amin'izy ireo. Nanomboka ny volana Aprily 2019 dia efa misy ihany koa, ho an'ireo mpampiasa ny finday Android, ny haitao natokana hijerena ny alimanaka sy tetiandro malagasy [1] araka ny fomba fanisàna atao hoe "isa lava". Isan-taona dia manonta boky kely misy ny alimanaka malagasy ny mpanandro maro na ny mpamokatra mpiara-miasa amin'izy ireo. Nanomboka ny volana Aprily 2019 dia efa misy ihany koa, ho an'ireo mpampiasa ny finday Android, ny haitao natokana hijerena ny alimanaka sy tetiandro malagasy [1] araka ny fomba fanisàna atao hoe "isa lava". (tohiny...) |
Sarin’ny anio
Ny vaovao Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao, Brexit[ovaina]
EfemeridaMbola tsy misy ankehitriny ny pejy mikasika ny Sabotsy 11 Jolay ao amin'ny efemerida. Ka raha tianao dia azonao ampiana na foronina ity pejy ity. Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny. Aloha ny mamorona pejy efemerida ianao, vakio ny toromarika (tsindrio eto raha te-hijery azy amin'ny teny anglisy) |
Manana ny tohan'ny Wikimedia Foundation ireo volavola :
Meta-Wiki Toerana iraisan'ny fikambanan'ny tetikasa rehetra |
Wikibolana Raki-bolana malalaka |
Wikigazety Gazety malalaka (incubator) | |||||
Wikiboky Lahatsoratra sy boky malalaka |
Wikitanisa raki-pitanisana |
Wikifamakiam-boky famakiam-boky | |||||
Wikiversite Komonitia Pedagôjika |
Wikispecies Tetikasa iraisana |
Wikimedia Commons Toerana ametrahana ny rakitra Multimedia |