Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
lahatsoratra 92 832 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Ny fiovaovan'ny faritra nanjakan'ny Persiana nandritra ny tantara

I Persia dia fanjakana tany Atsinanana-Akaiky, teo anelanelan'ny Ranomasina Kaspiana sy ny Helodrano Persika, ary mifanandrify amin'i Iràna ankehitriny. Ny mponina tao no atao hoe Persiana. Tamin'ny taona 1935 i Persia dia novana anarana ho Iràna. Maro ireo fanjakan-dehibe (empira) nifandimby tao Persia hatramin'ny Media ka hatramin'ny an'ny Persiana. Nahatratra ny fara tampon'ny lazany i Persia tamin'ny fanapahan'ireo Akemenida.

Ireto ireo fanjakana sy ny fianakaviana nanjaka nanapaka an'i Persia:

Ny Lembalemba Iraniana dia nonenan'ireo foko ariana nanomboka tamin'ny taona 1500 tal. J.K. tany ho any, ka ny foko lehibe tamin'ireo dia ny Mediana na Meda, izay nonina tao amin'ny tapany avaratra andreafana, sy ny Parsa (na Persiana) izay nonina tao amin'ny tapany atsimo. Nanjaka tamin'izany faritra izany ny Mediana nefa rava izany tamin'ny fahatongavan'ny Skitiana (na Skita) tamin'ny taonjato faha-7 tal. J.K., na dia afaka nandroaka azy ireo ny Mediana tamin'ny taona 625 tal. J.K. Ny Persiana tamin'izany fotoana izany dia nanana ny fanjakany manokana nefa nandoa hetra tamin'ny Mediana ka tsy nifarana izany toe-javatra izany raha tsy tamin'ny andron'i Kirosy Lehibe, izay mpanjaka akemenida nitondra an'i Ansàna.

(tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny tetiandro malagasy dia tetiandro nampiasain'ny Malagasy talohan'ny nampiasany ny tetiandro gregoriana nentin'ireo vazaha sady mbola ampiasaina amin'ny sehatry ny fanandroana. Araka ny hevitry ny maro dia tetiandro manara-bolana ny tetiandro malagasy[1]. Tsy tokana anefa ny tetiandro malagasy fa maro vokatry ny fiaviany sy ny fiovany isam-paritra[2]. Avy amin'ireo tetiandro indiana tranainy sy ny fampanjariana anaram-bolana ny anaran'antokon-kintana arabo ireo tetiandro malagasy ireo[2]. Izany no mahatonga ny anaram-bolana sasany hitovitovy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny haikintana na fanandroana indiana amin'ny teny sanskrita fa ny sasany kosa, izay sady fantatry ny maro, dia avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny haikintana arabo.

Avy amin'ny tetiadro arabo ny anaran'ny andro ao amin'ny herinandro. Misy 28 na 29 na 30 andro ny iray volana amin'ny tetiandro malagasy[3].

Ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy voalohany dia avy amin'ny fanandroana indiana fa rehefa nisy Arabo nandalo sy nonina teto Madagasikara dia niova ho amin'ny fanandroana arabo na nifangaro aminy izany.

Noho ny fitovizana misy eo amin'ny anaram-bolana sy ny anaram-bintana malagasy dia tsy nampiasaina ireo anarana ireo rehefa nahazo vahana ny kolontsaina tandrefana sy ny fivavahana kristiana nefa notazomina ihany ny anaran'andro. Izany ihany koa no tsy ampiasana ny teny hoe tetiandro izay nosoloana ny hoe kalandrie na alimanaka. Ny anaram-bolana vazaha ao amin'ny tetiandro gregoriana ampiasain'ny Malagasy amin'izao, na Kristiana na tsy Kristiana, anefa misy ifandraisany koa amin'ny fivavahana amin'andriamanitra maro na amin'ny fivavahan'ny mpanompo sampy.

Mba hahazoana tsara ny momba ny tetiandro malagasy izay manaraka ny fihodin'ny Volana dia tokony havahana ka hosarahana aminy ny fanandroan-kintana izay miankina amin'ny antokon-kintan'ny zodiaka.

Isan-taona dia manonta boky kely misy ny alimanaka malagasy ny mpanandro maro na ny mpamokatra mpiara-miasa amin'izy ireo. Nanomboka ny volana Aprily 2019 dia efa misy ihany koa, ho an'ireo mpampiasa ny finday Android, ny haitao natokana hijerena ny alimanaka sy tetiandro malagasy [1] araka ny fomba fanisàna atao hoe "isa lava".

Isan-taona dia manonta boky kely misy ny alimanaka malagasy ny mpanandro maro na ny mpamokatra mpiara-miasa amin'izy ireo. Nanomboka ny volana Aprily 2019 dia efa misy ihany koa, ho an'ireo mpampiasa ny finday Android, ny haitao natokana hijerena ny alimanaka sy tetiandro malagasy [1] araka ny fomba fanisàna atao hoe "isa lava".

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ny anio

Inupiat Family from Noatak, Alaska, 1929, Edward S. Curtis (restored).jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao, Brexit[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

8 Jiona : Andro iraisam-pirenena ho an'ny Ranomasimbe

  • 1776 : Nandresy ny tafika amerikanina ny tafika britanika teo amin'ny Adin'ny Trois-Rivières, ady lehibe farany nitranga tany Quebec.

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 



  1. Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, p.52.
  2. 2,0 et 2,1 Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, p.51.
  3. Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, p.53.