Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
lahatsoratra 92 744 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Ny tetiandro miozolmana na tetiandro silamo dia tetiandro ampiasain'ny fivavahana silamo ka ny iray volana ao aminy, izay mitovy amin'ny fitsingerenan'ny Volana amin'ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro manara-bolana ny tetiandro miozolmana. Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso. Ampiasaina indrindra amin'ny fankalazana amin'ny fivavahana silamo ny tetiandro miozolmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro na amin'ny fizaran-taona; noho izany dia tsy misy koa ny volana fanampiny (volana faha-13), tsy tahaka ny ao amin'ny tetiandro manara-bolana sy masoandro toy ny tetiandro hebreo. Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Andro voalohany amin'ny volana Muharram izany. Io no andro voalohany tamin'ny fifindrà-monin'i Mohamady sy ireo mpanaraka azy avy ao Maka hankany Iatriba (tanàna fantatra amin'ny anarana hoe Madîna amin'izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe Hiǧrah (هجرة) amin'ny teny arabo. Folo taona taorian'io andro io no nampiasana ny tetiandro miozolmana. Atao hoe التقويم الهجري‎ / at-taqwīm al-hijrī io tetiandro io amin'ny teny arabo. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny tetiandro malagasy dia tetiandro nampiasain'ny Malagasy talohan'ny nampiasany ny tetiandro gregoriana nentin'ireo vazaha sady mbola ampiasaina amin'ny sehatry ny fanandroana. Araka ny hevitry ny maro dia tetiandro manara-bolana ny tetiandro malagasy[1]. Tsy tokana anefa ny tetiandro malagasy fa maro vokatry ny fiaviany sy ny fiovany isam-paritra[2]. Avy amin'ireo tetiandro indiana tranainy sy ny fampanjariana anaram-bolana ny anaran'antokon-kintana arabo ireo tetiandro malagasy ireo[2]. Izany no mahatonga ny anaram-bolana sasany hitovitovy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny haikintana na fanandroana indiana amin'ny teny sanskrita fa ny sasany kosa, izay sady fantatry ny maro, dia avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny haikintana arabo.

Avy amin'ny tetiadro arabo ny anaran'ny andro ao amin'ny herinandro. Misy 28 na 29 na 30 andro ny iray volana amin'ny tetiandro malagasy[3].

Ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy voalohany dia avy amin'ny fanandroana indiana fa rehefa nisy Arabo nandalo sy nonina teto Madagasikara dia niova ho amin'ny fanandroana arabo na nifangaro aminy izany.

Noho ny fitovizana misy eo amin'ny anaram-bolana sy ny anaram-bintana malagasy dia tsy nampiasaina ireo anarana ireo rehefa nahazo vahana ny kolontsaina tandrefana sy ny fivavahana kristiana nefa notazomina ihany ny anaran'andro. Izany ihany koa no tsy ampiasana ny teny hoe tetiandro izay nosoloana ny hoe kalandrie na alimanaka. Ny anaram-bolana vazaha ao amin'ny tetiandro gregoriana ampiasain'ny Malagasy amin'izao, na Kristiana na tsy Kristiana, anefa misy ifandraisany koa amin'ny fivavahana amin'andriamanitra maro na amin'ny fivavahan'ny mpanompo sampy.

Mba hahazoana tsara ny momba ny tetiandro malagasy izay manaraka ny fihodin'ny Volana dia tokony havahana ka hosarahana aminy ny fanandroan-kintana izay miankina amin'ny antokon-kintan'ny zodiaka.

Isan-taona dia manonta boky kely misy ny alimanaka malagasy ny mpanandro maro na ny mpamokatra mpiara-miasa amin'izy ireo. Nanomboka ny volana Aprily 2019 dia efa misy ihany koa, ho an'ireo mpampiasa ny finday Android, ny haitao natokana hijerena ny alimanaka sy tetiandro malagasy [1] araka ny fomba fanisàna atao hoe "isa lava".

Isan-taona dia manonta boky kely misy ny alimanaka malagasy ny mpanandro maro na ny mpamokatra mpiara-miasa amin'izy ireo. Nanomboka ny volana Aprily 2019 dia efa misy ihany koa, ho an'ireo mpampiasa ny finday Android, ny haitao natokana hijerena ny alimanaka sy tetiandro malagasy [1] araka ny fomba fanisàna atao hoe "isa lava".

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ity herinandro ity

Antonius Kloster BW 15 Retouched.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Brexit, Krizy politika ao Venezoela[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 


  1. Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, p.52.
  2. 2,0 et 2,1 Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, p.51.
  3. Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, p.53.