Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
lahatsoratra 92 709 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Ny Bazilika Masindahy Piera

Ny bazilika Masindahy Piera dia trano fiangonana lehibe indrindra amin'ny fivavahana katolika. Ao Vatikàna eo amin'ny ilan'ny renirano Tibra, no iorenany, ary ny mitodika manoloana ny Toera-malalaka Masindahy Piera. Atao hoe Basilica Sancti Petri izy amin'ny teny latina fa Basilica di San Pietro in Vaticano kosa amin'ny teny italiana.

Eo amin'ny toerana nahatongavan'ireo mpanao fivahiniana masina voalohany hanao fanompoam-pivavahana amin'i Md Piera no nanorenana azy araka ny sitrapon'i Konstantino I, eo amin'ny toarana nisy ny toeram-pilalaovana naorin'i Kaligola sy i Nerô.

Ny papa Jolio II, avy eo ny mpandimbyazy Leo X, dia nampiasa ny endolzansy (na indolzansa), tamin'ny alalan'i alalan'ilay dominikana alemàna atao hoe Johann Tetzel, mba hamatsiam-bola ny fanamboarana ilay bazilika. Nanameloka izany fivarotana ny endolzasy izany i Martin Lotera ao amin'ireo tsangan-kevitra 95 (31 Oktobra 1517), izay noheveriny fa fanararaotana nataon'ny Eglizy katolika romana sy fanodinana ny sitrapon'Andriamanitra. Izany no niteraka ny reformasiona sy ny protestantisma.

Voasoratra ho isan'ny harena iraisam-pirenena ao amin'ny UNESCO ny bazilika Md Piera, izy no trano vita tamin'ny mari-trano avo lenta sady izy no trano be mpitsidika indrindra maneran-tany. Nanomboka tamin'ny 18 Avrily 1506 ny nanamboarana azy ka tsy nifarana izany raha tsy tamin'ny taona 1626. Isan'ireo mpanao mari-trano nandray anjara tamin'ny fanamboarana ilay bazilika i Donato Bramante sy i Michelangelo di Lodovico Buonarroti Simoni sy i Carlo Maderno ary i Gian Lorenzo Bernini.

Na dia tsy voasoratra ao amin'ny Testamenta Vaovao aza ny nahatongavan'ny apostoly Piera (na Petera) tao Roma amin'ny maha lohan'ny Fiangonana kristiana azy (eveka voalohan'i Antiôka sy Roma, papa voalohany), na ny nahafatesany martira tao, dia manambara ny Katolika, araka ny lovantsofina, fa ao afovoan' io bazilika io no misy ny fasan'i Md Piera.

Mahasarika mpanao fivahiniana masina maro ny bazilika Md Piera izay mahatarika Katolilka miisa any amin'ny 150 000 isan'alahady amin'ny fotoam-pivavahan'ny vavaky ny anjely (angelus) tarihin'ny papa. Izy no trano foangonan'ny papa sy ny Fanjakan'i Vatikàna.

(tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny tetiandro malagasy dia tetiandro nampiasain'ny Malagasy talohan'ny nampiasany ny tetiandro gregoriana nentin'ireo vazaha sady mbola ampiasaina amin'ny sehatry ny fanandroana. Araka ny hevitry ny maro dia tetiandro manara-bolana ny tetiandro malagasy[1]. Tsy tokana anefa ny tetiandro malagasy fa maro vokatry ny fiaviany sy ny fiovany isam-paritra[2]. Avy amin'ireo tetiandro indiana tranainy sy ny fampanjariana anaram-bolana ny anaran'antokon-kintana arabo ireo tetiandro malagasy ireo[2]. Izany no mahatonga ny anaram-bolana sasany hitovitovy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny haikintana na fanandroana indiana amin'ny teny sanskrita fa ny sasany kosa, izay sady fantatry ny maro, dia avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny haikintana arabo.

Avy amin'ny tetiadro arabo ny anaran'ny andro ao amin'ny herinandro. Misy 28 na 29 na 30 andro ny iray volana amin'ny tetiandro malagasy[3].

Ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy voalohany dia avy amin'ny fanandroana indiana fa rehefa nisy Arabo nandalo sy nonina teto Madagasikara dia niova ho amin'ny fanandroana arabo na nifangaro aminy izany.

Noho ny fitovizana misy eo amin'ny anaram-bolana sy ny anaram-bintana malagasy dia tsy nampiasaina ireo anarana ireo rehefa nahazo vahana ny kolontsaina tandrefana sy ny fivavahana kristiana nefa notazomina ihany ny anaran'andro. Izany ihany koa no tsy ampiasana ny teny hoe tetiandro izay nosoloana ny hoe kalandrie na alimanaka. Ny anaram-bolana vazaha ao amin'ny tetiandro gregoriana ampiasain'ny Malagasy amin'izao, na Kristiana na tsy Kristiana, anefa misy ifandraisany koa amin'ny fivavahana amin'andriamanitra maro na amin'ny fivavahan'ny mpanompo sampy.

Mba hahazoana tsara ny momba ny tetiandro malagasy izay manaraka ny fihodin'ny Volana dia tokony havahana ka hosarahana aminy ny fanandroan-kintana izay miankina amin'ny antokon-kintan'ny zodiaka.

Isan-taona dia manonta boky kely misy ny alimanaka malagasy ny mpanandro maro na ny mpamokatra mpiara-miasa amin'izy ireo. Nanomboka ny volana Aprily 2019 dia efa misy ihany koa, ho an'ireo mpampiasa ny finday Android, ny haitao natokana hijerena ny alimanaka sy tetiandro malagasy [1] araka ny fomba fanisàna atao hoe "isa lava".

Isan-taona dia manonta boky kely misy ny alimanaka malagasy ny mpanandro maro na ny mpamokatra mpiara-miasa amin'izy ireo. Nanomboka ny volana Aprily 2019 dia efa misy ihany koa, ho an'ireo mpampiasa ny finday Android, ny haitao natokana hijerena ny alimanaka sy tetiandro malagasy [1] araka ny fomba fanisàna atao hoe "isa lava".

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ity herinandro ity

Drum set.svg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Brexit, Krizy politika ao Venezoela[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 


  1. Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, p.52.
  2. 2,0 et 2,1 Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, p.51.
  3. Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, p.53.