Hanokatra ny renilisitra

Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
lahatsoratra 92 177 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Ny Hebreo na Hebrio dia vondrom-poko semitika izay nifindra avy any Mesopotamia nankany Palestina tamin’ny taonarivo faharoa tal. J.K. Izy ireo no heverina fa razamben'ny Jiosy ankehitriny.
Ny fiaingan'i Abrahama, nataon'i József Molnár, 1850

Avy any Kanana ka nankany Egipta ny ampahany amin’ireo Hebreo, dia ireo taranak’i Jakoba, atao hoe Israelita na Zanak’i Israely, ka lasa andevon’ny Egiptiana. Rehefa afaka tamin’ny fanandevozana izy ireo teo ambany fitarihan’i Mosesy (na Moizy) dia nivezivezy tany an-tany efitr’i Sinay hankany Kanana indray. I Josoa (na Josoe) no nandimby an’i Mosesy alohan’ny hanafihany sy honenan’ireo Hebreo tao amin’ny tany Kanana atao hoe koa Palestina.

Ny teny hoe hebreo na hebrio dia avy amin’ny teny anglisy hoe hebrew na frantsay hoe hebreu izay samy avy amin’ny teny latina hoe hebraeus izay avy amin’ny teny grika hoe Ἑβραῖος / hebraios, izay avy amin’ny teny hebreo hoe עברי /’ivri. Ny teny hebreo hoe 'ivri (na 'ibri) dia mety ho avy amin’ny fototry ny matoanteny hebreo hoe עבר / avar izay midika hoe "miampita" na "madalo". Ny Hebreo, arak'izany, dia ireo "mpiampita" na "mpandalo" fa tsy monina, ireo eny ampitan’ny ony, ireo mpirenireny.

(tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Colorful spring garden.jpg

Ny Volambita dia iray amin'ireo volana ao amin'ny tetiandro malagasy ahitana volana mitondra anarana amin'ny teny sanskrita. Misy ny milaza fa volana voalohany ao amin'ny faritra nampisa anaram-bolana avy amin'ny fiteny sanskrita io Volambita io nefa misy koa ny milaza zavatra hafa tsy mitovy amin'izay. Ireto ny anaram-bolana avy amin'ny teny sankrita raha ny Volasira no anombohana: Volasira, Faosa, Volamaka, Hiahia, Sakamasay, Sakave, Volambita, Asaramanara, Asara, Vatravatra, Asotry ary Hatsiha. Miovaova isam-paritra ireo anarana ireo sady mety tsy hitovy ny fotoana isehoan'ny volana mitovy anarana. Marihina fa tsy anaram-bintana ny Volambita fa anaram-bolana.

Tsy tokana ny laharan'ny Volambita (sy ny volana hafa rehetra miaraka aminy) fa miovaova isam-paritra na arakaraka ny mpilaza. Misy ny milaza fa volana voalohany ao amin'ny taona izy satria mifanandrify amin'ny lohataona. Ireo izay mankalaza taom-baovao malagasy lohataona dia milaza fa amin'ny 22 Septambra no anombohan'izany volana Volambita izany. Ny fankalazana ny fiandohan'ny lohataona dia lazan'izy ireo fa natao tamin'ny faritra maro teto Madagasikara. Misy ny milaza fa volana faha-11 izy.

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ity herinandro ity

Seal Rocks and Cliff House big.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Brexit, Krizy politika ao Venezoela[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 



Hamaky amin'ny fiteny hafa