Jiosy

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Sefer Torah.JPG

Ny Jiosy na Jody dia ireo Zanak'i Israely niaina taorian'ny fahababoana tany Babilona, na ny olona manaraka ny fivavahana jodaisma. Israely no tany fiavian'ny Jiosy sy ny jodaisma. Araka ny Baiboly dia nomen'i Iahveh Andriamanitra azy ireo io tany io. Taty aoriana anefa dia niparitaka eran-tany ny Jiosy nefa tafaverina tao Israely indray ny sasany aminy ka nanorina ny Fanjakan'i Israely ankehitriny.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Roa ny teny malagasy voakasika eto dia ny hoe Jiosy sy ny hoe Jody. Ny teny malagasy hoe Jiosy, izay ampiasain'ny Protestanta malagasy, dia tsy fanagasiana avy hatrany avy amin'ny teny hebreo na grika fa avy amin'ny teny anglisy hoe Jews na Jewish izay vakina hoe /dʒuːz/ sy /dʒu:iʃ/. Ity indray dia avy amin'ny teny frantsay tranainy hoe Giu izay mbola avy amin'ny teny frantsay talohan'io hoe Juieu. Io indray dia avy amin'ny teny latina hoe Iudaeus.

Ny teny malagasy hoe Jody, izay ampiasain'ny Katolika malagasy, dia avy amin'ny teny latina hoe Iudaeus. Ny teny latina hoe Iudaeus dia avy amin'ny teny grika hoe Ἰουδαῖος / Ioudaios (Ἰουδαῖοι / Ioudaioi raha milaza maro) izay fandikana ny teny hebreo hoe יהודי /Yehudhi (na יְהוּדִים / Yehudhim raha milaza maro).

Ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy dia mampiasa ny hoe Jiosy fa Jody kosa ny ao amin'ny Baiboly katolika amin'ny teny malagasy. Izany hoe amin'ny teny malagasy no ahitana io fahasamihafan'endri-teny io. I Jodea (na Jodia) dia atao hoe Iudaea amin'ny teny latina, Ἰουδαία / Ioudaía amin'ny teny grika, ary יְהוּדָה‎ / Yehuda aimn'ny teny hebreo.

Iza no Jiosy?[hanova | hanova ny fango]

Jiosy any Sina tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20.

"? מיהו יהודי" / Mihu yehudi ? ("Iza no Jiosy?"). Ankehitriny na ny hoe Jiosy na Jody dia teny enti-manondro indrindra ireo mponina tao Jodea (na Jodia) tamin'ny andron'i Jesoa na ireo olona mpivavaka amin'ny jodaisma. Zavatra roa samy hafa ireo, nefa mifampiankina, satria misy ny Jiosy noho ny firenena niaviany, mety ho Kristiana na tsy mivavaka ireo; nefa misy koa ny Jiosy noho ny fivavahany. Ny dikany voalohany anefa no hita ao amin'ny Baiboly. Ny Lalàna israeliana ankehitriny dia mamaritra ny atao hoe Jiosy ho olona nateraka reny jiosy na olona niova finoana ho amin'ny jodaisma[1].

Tsy afangaro izany ny hoe Jiosy (na Jody) sy ny hoe Israelita ary ny hoe Israeliana.

Ny fivavahana jiosy: ny jodaisma[hanova | hanova ny fango]

Vehivavy jiosy etiopiana eo amin'ny Rindrin'ny Fitomaniana
Jiosy etiopiana

Ny jodaisma na finoana jiosy dia finoana monoteista, izany hoe mino Andriamanitra iray ihany, ary YHWH no anarany. Io anarana io anefa, araky ny finoana Jiosy, dia masina loatra ka tsy azo tononina, ka izany no mahatonga ireo Jiosy miteny hoe Adonay ("Tompo") na Hashem ("ilay anarana") rehefa miresaka na mivavaka. Ny Jiosy dia mino fa iray ihany Andriamanitra, ka noho izany tsy manaiky ny Trinite kristiana izy. Ny teny masin'ny Jiosy dia ny teny hebreo.

Ny Jiosy dia mino fa nomen'Andriamanitra an'i Mosesy (hebreo: Mosheh) ny Torah (midika hoe "lalàna"). Misy didy 613 ao anatin'ny Torah. Anisan'ireny didy ireny ny fifadiana ireo biby tsy mivaky kitro, na ny trondro tsy misy kirany. Ny andro masin'ny Jiosy dia ny Sabata (שבת / Shabbat amin'ny teny hebreo izay midika hoe "fitsaharana"), izany hoe ny andro Asabotsy.

Jiosy malagasy[hanova | hanova ny fango]

Maro ny vahoaka eto an-tany izay milaza fa Jiosy na Hebreo (ohatra ny foko sasany ao Etiopia[2] sy any Sina[3] ary ny mainty hoditra sasany any Etazonia[4]) na dia tsy fantatry ny olona maro sady mety tsy hinoany na mety ho diso tokoa aza izany, ka isan'izany ny Malagasy sasany, dia ireo olona na foko na fikambanana miaiky ny tenany na heverin'ny sasany fa taranaka Jiosy na Jody eto Madagasikara[5][6].

Fanamarinana ny fisian'ny Jiosy malagasy[hanova | hanova ny fango]

Zavatra isan-karazany no entin'ny mpomba izany hevitra izany manohana ny fanambaràna ny maha Jiosy ny Malagasy sasany na ny ankamaroan'ny Malagasy, ka ny betsaka amin'izany dia miorina amin'ny filazana fa misy fitovizany ny zavatra sasany momba ny Malagasy sy ny Jiosy: ny fiteny malagasy sy ny fiteny hebreo[7], ny ra na ny foto-tarazo malagasy sy ny ra na foto-tarazo jiosy, ny kolontsaina malagasy sy ny an'ny Jiosy. Ireo fampitahana ireo dia mamoaka zavatra mitovy na mitovitovy, hoy ireo mpomba ity hevitra ity. Ao koa ny lovantsofina momba ny fiavian'ny foko sasany na ny fianakaviana sasany izay milaza na heverina fa manambara ny maha Jiosy ny tompon'ilay tantara. Misy koa ny fanaporofoana ara-teolojia izay maka andalan-tsoratra na singan-teny ao amin'ny Baiboly heverin'ny teolojiana sasany[8] [9] fa miteny mivantana na ankolaka ny fahafantaran'ny Hebreo na ny Jiosy tany aloha an'i Madagasikara na ny Malagasy, ao koa ny fitantarana fatahitana zavatra (vato, sns) heverina fa voasoratra amin'ny litera hebreo sns[10].

Olana momba ny fanamarinana[hanova | hanova ny fango]

Na dia azo heverina ho marina fa misy manam-piaviana jiosy ny Malagasy, noho ny fifaneraseran'ny mponina eran'izao tontolo izao hatramin'ny Andro Taloha na talohan'izany aza, dia betsaka ny olana ara-tantara, ara-kolontsaina, ara-pivavahana, ara-piteny sns izay mahasarotra raisina avy hatrany ny porofo anohanana izany: dia ny tsy nahalalan'ny Malagasy ny teny hoe jiosy/jody na hebreo/hebrio (na teny hafa mifanakaiky amin'ireo) talohan'ny nahatongavan'ny fivavahana kristiana teto Madagasikara[11], ny fanadinoana faha mpanjaka ny sinagoga sy ny Sabata izay isan'ny fototra eo amin'ny kolontsaina jiosy, ny fanompoan-tsampy tafahoatra tamin'ny vanim-potoana faha mpanjaka[12] izay tsy nisy fihenany raha tsy taorian'ny nidiran'ny finoana kristiana teto Madagasikara, ny tsy fifanandrifiana ara-potoana misy eo amin'ny lovantsofim-piaviam-poko sy ny tantara iarahan'ny mpahay tantara manaiky momba ny tontolo jiosy (sy semita amin'ny ankapobeny)[11], ny fifanoheran'ny porofo aroson'ny antokon'olona samy hafa izay samy milaza fa Jiosy malagasy, ao koa ireo tantaran-drazana izay tokony ho raisina amim-pandanjalanjana noho izy ireo mifangaro angano na fedrà raha ny marina [9].

Jiosy malagasy ara-pivavahana[hanova | hanova ny fango]

Amin'izao fotoana izao dia maro ny Jiosy malagasy izay tsy azo iadian-kevitra ny maha Jiosy azy amin'ny alalan'ny fiovana finoana ho amin'ny fivavahana jiosy tsy mifangaro amin'ny fivavahana hafa[1] ary ny Malagasy tsy ankanavaka dia afaka miova ho Jiosy amin'ny alalan'ny fiovam-pinoana ho amin'ny jodaisma. Ireo no atao hoe "proselita". Tsy misy fanavahana na volon-koditra na firazanana na fiaviana izany. Tsy ny fananana razam-be na ray aman-dreny jiosy ihany fa ny fiovana ho amin'ny jodaisma dia ampy haha Jiosy ny olona iray. Io fepetra roa toa tsy mifampiankina io no mampalalaka ny fitomboan'ny isan'ny Jiosy malagasy ka tsy misy izay hailika hoe tsy tena izy marina[13].

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Azo anovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]

Momba ny Jiosy any Amerika sy aty Afrika[hanova | hanova ny fango]

  • Morris Lounds, 's Black Hebrews : Black Americans in search of identity, University Press of America, 1981, 221 p. (ISBN 0-8191-1400-6).
  • "Diaspora Jiosy Gasy" in African Jewish Communities

Momba ny Jiosy malagasy manokana[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. 1,0 et 1,1 "Are Jews a Religious Group or an Ethnic Group?" (PDF). Institute for Curriculum Services.
  2. Lisa Anteby-Yemini, Les juifs éthiopiens en Israël, C.N.R.S., 2004 (ISBN 2271062055), p. 25.
  3. "Tribus perdues et retrouvées - Les Juifs de Kaifeng" [tahiry]
  4. "Black Jews" [tahiry], The Religious Movements Homepage Project an'ny Oniversiten'i Virjinia [tahiry]
  5. "International conference on Jewish Roots in Madagascar: "... 80% of Malagasy have Jewish origins"
  6. "Report on Madagascar by WRF Member Ndriana Rabarioelina"
  7. "Jiosy ve ny Malagasy ?" in Ratefy Tolotra, TANIKO Madagascar.
  8. "Le Malgache - la création et l'Homme paradigmatique" - Elishean
  9. 9,0 et 9,1 "Le peuplement de Madagascar - Des migrations et origines mythiques aux réalités de l’histoire" PDF.
  10. "Mysterious Madagascar Community Practicing Jewish Rituals Officially Enters Covenant of Abraham" - Breaking Israel News
  11. 11,0 et 11,1 "Le secret malgache"- The Jerusalem Post (notsidihina tamin'ny 20/11/2018)
  12. Jereo ny tantaran'ny Fanjakan'i Madagasikana na Fanjakana Merina (ohatra ny faha-Ranavalona I).
  13. "In remote Madagascar, a new community chooses to be Jewish" - The times of Israel.