Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
lahatsoratra 92 088 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Naturalis Historia, raki-pahalalana voalohany (fanontana ny taona 1669 io natolotra io)

Ny raki-pahalalana (izay manana tsipelina maro) dia boky firaketana ny fampahalalana mikasika ny fahaizan'ny olombelona. Ny raki-pahalalana ankehitriny dia na vita taratasy (toy ny Rakibolana Rakipahalalana) na eo amin'ny Aterineto (toy i Wikipedia) izay mirakitra lahatsoratra maro amin'ny taranja iray ho an'ireo raki-pahalalana manokana, na amin'ny taranja rehetra ho an'ireo raki-pahalanana tsotra.

Roa arivo taona izay no nisian'ny rakipahalalana voalohany ; ny rakipahalalana voalohany, Tantara Voajanahary ("Histoire Naturelle" amin'ny teny frantsay), dia nosoratan'i Pliniosy Be Taona tamin'ny 77 CE tany ho any. Ny raki-pahalalana araka ny amantaratsika azy amin'izao fotoana izao, dia nipoitra tamin'ny taonjato faha 17. Tafiditra anaty boky iray ny raki-pahalalana, kanefa ny raki-pahalalana sasany, toa ny Encyclopaedia Britannica amin'ny fiteny anglisy, na ny Enciclopedia universal ilustrada europeo-americana amin'ny fiteny espaniola, dia raki-pahalalana misy "volume" amam-polony (32 ho an'ilay voalohany, 70 ho an'ilay faharoa). Ankehitriny, misy raki-pahalalana elektrônika (an-tranonkala na amin'ny CD), toa i Wikipedia (manana sampanana amin'ny fiteny mahery ny 250), na Citizendium. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Colorful spring garden.jpg

Ny Volambita dia iray amin'ireo volana ao amin'ny tetiandro malagasy ahitana volana mitondra anarana amin'ny teny sanskrita. Misy ny milaza fa volana voalohany ao amin'ny faritra nampisa anaram-bolana avy amin'ny fiteny sanskrita io Volambita io nefa misy koa ny milaza zavatra hafa tsy mitovy amin'izay. Ireto ny anaram-bolana avy amin'ny teny sankrita raha ny Volasira no anombohana: Volasira, Faosa, Volamaka, Hiahia, Sakamasay, Sakave, Volambita, Asaramanara, Asara, Vatravatra, Asotry ary Hatsiha. Miovaova isam-paritra ireo anarana ireo sady mety tsy hitovy ny fotoana isehoan'ny volana mitovy anarana. Marihina fa tsy anaram-bintana ny Volambita fa anaram-bolana.

Tsy tokana ny laharan'ny Volambita (sy ny volana hafa rehetra miaraka aminy) fa miovaova isam-paritra na arakaraka ny mpilaza. Misy ny milaza fa volana voalohany ao amin'ny taona izy satria mifanandrify amin'ny lohataona. Ireo izay mankalaza taom-baovao malagasy lohataona dia milaza fa amin'ny 22 Septambra no anombohan'izany volana Volambita izany. Ny fankalazana ny fiandohan'ny lohataona dia lazan'izy ireo fa natao tamin'ny faritra maro teto Madagasikara. Misy ny milaza fa volana faha-11 izy.

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ity herinandro ity

Elbphilharmonie Hamburg.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Brexit, Krizy politika ao Venezoela[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia