Magreba

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Ny faritanin'i Magreba (manga)
Tanger, hita avy eo amin'ny lakandranon'i Gibraltar
Ny amorontsiraka Marokana avy eo Espaina

Ny Magreba, na Maghreb (amin'ny teny arabo al-Maghrib, amin'ny teny berbera Tamazgha) dia faritany any Afrika Avaratra eo anelanelan'ny ranomasina Mediteranea, ny Sahara ary ny ranomasimbe Atlantika.

Ny mpanjanatany arabo voalohany tonga teo amin'io faritany io dia nanonona io faritany io Jazirat al-Maghrib. Ankehitriny. Ny Magreba dia mivondrona ny Tonizia, ny Aljeria ary ny Maroka. Ankehitriny, mba tsy hifangaro, lazaina hoe Magreba kely ny na Magreba Anivo ny firenena telo mala ny saikanosy atlasianina any Afrika Avaratra. Ao amin'ny Magreba Be dia misy ny Maoritania, ny Sahara Andrefana ary ny Libia.

Ny velarantanin'ny Magreba dia 5 tapitrisa kilometatra efa-mira voazara eo anelanelan'ny dobo Mediteraneanina sy ny faritany Saharianina. Ny tanimatin'i Sahara dia maka ny ankabeazan'ny Magreba. Ny isam-ponina ao Magreba dia misy 73 tapitrisa mponina, eo amin'ny amorontsiraka, be latsakorana kokoa, ny ankabeazan'ireo 73 tapitrisa ireo. Betsaka ny harena an-kibon'ny tany toy ny fôsfaty sy vy ary ara-angôvy (etona sy solitany).

Ny Magreba dia mandritry ny arivo taona mahery vondrona ara-jeôgrafia, fa tsy ara-piteny (betsaka n fiteny ao : ny fiteny arabo sy berbera). Samihafa amin'ny sisan'ny tontolo arabo sy afrikanina izy noho ny fahasamihafana ny fiavian'ny mponiny ary noho izany, ny kolontsainy. Na dia mifanalavitra aza ny Maghreb sy ny Machrek, ny teny arabo sy maha-silamo no mamatotra ireo tontolo roa irao. Ny tantarany ankehitriny dia voakasiky ny fanjanatany frantsay, italianina, espaniola ary italianina. Ny Eoropa Andrefana koa manana fianjadiana eo amin'ny Magreba, ary mbola betsaka nohon'ny fianjadian' Eoropa any Atsinanan'i Mediteranea ny fianjadiany eo Magreba.

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.