Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
lahatsoratra 91 789 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Manoratra ny Vaovao Mahafaliny i Marka araka ny soratononina ataon'i Petera, nataon'i Pasquale Ottino taimn'ny taonjato faha-17

Ny Filazantsara araka an'i Marka, na Vaovao Mahafaly araka an'i Marka, na Evanjeky araka an'i Masindahy Marka dia faharoa amin'ny Filazantsara ao amin'ny Testamenta Vaovao ao amin'ny Baiboly. Ny asa nataon'i Jesosy (na Jesoa) no tian'ny mpanoratra hampitaina: asehony i Jesosy eo am-panatanterahana ny asany amin'ny fanasitranana ny marary, amin'ny fampitomboana isa ny mofo ho an'ny vahoaka. Izany asa izany dia tantarain'ny mpanorara mma hnaporofo anyny maha avy amin'Andriamanitra an'i Jesosy. Tsy latsaky ny 18 ny isan'ireo fahagagana tantarainy. Ao amin'ny andininy voaoohany fotsiny dia efa milaza sahady ny mpanoratra fa i Jesosy no "Zanak'Andriamanitra" (Mar. 1.1) ary any amin'ny faran'io Vaovao Mahafaly io dia taterin'ny mpanoratra ny resak'ilay manamboninahitra miaramila romana teo am-pototry ny hazofijaliana hoe: "Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io" (Mar. 15.39).

Asehin'ny mpanorarta koa fa ny fahagagana nataon'i Jesosy dia tsy nataony hitadiavany laza: Fantatr'i Jesosy fa tsy maintsy hijaly izy. Izany no nahatonga ny mpanoratra haneho ny fiainan'i Jesosy ho toy ny fiomanany amin'ny hahafatesany. Im-betsaka i Jesosy no manambara mialoha ny hijaliany sy ny hahafatesany. Amin'ny mpanoratra dia vaovao tsara izany fahafatesany izany satria mahatanteraka ny faminanian'i Isaia (Isaia 53.12): avy izy "hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro" (Marka 10.45) sady araka ny efa nambarany dia hitsangana amin'ny maty izy satria tsy afaka ny hitoetra ao am-pasana ny Zanak'Andriamanitra.

Ny Filazantsaran'i Marka dia nosoratana ho an'ireo Kristiana avy amin'ny Jentilisa (na Jentily) izay tokony hanazavana tsara ireo fitenenana avy amin'ny fiteny arameana sy hebreo ary tokony hanazavana ny fomba amam-panao jiosy. Isan'ireo Filazantsara sinoptika ny Filazantsaran'i Marka. Teo anelanelan'ny taona 60 sy 75 no nanoratana azy. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Colorful spring garden.jpg

Ny Volambita dia iray amin'ireo volana ao amin'ny tetiandro malagasy ahitana volana mitondra anarana amin'ny teny sanskrita. Misy ny milaza fa volana voalohany ao amin'ny faritra nampisa anaram-bolana avy amin'ny fiteny sanskrita io Volambita io nefa misy koa ny milaza zavatra hafa tsy mitovy amin'izay. Ireto ny anaram-bolana avy amin'ny teny sankrita raha ny Volasira no anombohana: Volasira, Faosa, Volamaka, Hiahia, Sakamasay, Sakave, Volambita, Asaramanara, Asara, Vatravatra, Asotry ary Hatsiha. Miovaova isam-paritra ireo anarana ireo sady mety tsy hitovy ny fotoana isehoan'ny volana mitovy anarana. Marihina fa tsy anaram-bintana ny Volambita fa anaram-bolana.

Tsy tokana ny laharan'ny Volambita (sy ny volana hafa rehetra miaraka aminy) fa miovaova isam-paritra na arakaraka ny mpilaza. Misy ny milaza fa volana voalohany ao amin'ny taona izy satria mifanandrify amin'ny lohataona. Ireo izay mankalaza taom-baovao malagasy lohataona dia milaza fa amin'ny 22 Septambra no anombohan'izany volana Volambita izany. Ny fankalazana ny fiandohan'ny lohataona dia lazan'izy ireo fa natao tamin'ny faritra maro teto Madagasikara. Misy ny milaza fa volana faha-11 izy.

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ity herinandro ity

Perdrix rouge MHNT.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Brexit, Krizy politika ao Venezoela[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia