Naturalis Historia, raki-pahalalana voalohany (fanontana ny taona 1669 io natolotra io)
Ny raki-pahalalana (izay manana tsipelina maro) dia boky firaketana ny fampahalalana mikasika ny fahaizan'ny olombelona. Ny raki-pahalalana ankehitriny dia na vita taratasy (toy ny Rakibolana Rakipahalalana) na eo amin'ny Aterineto (toy i Wikipedia) izay mirakitra lahatsoratra maro amin'ny taranja iray ho an'ireo raki-pahalalana manokana, na amin'ny taranja rehetra ho an'ireo raki-pahalanana tsotra.
Roa arivo taona izay no nisian'ny rakipahalalana voalohany ; ny rakipahalalana voalohany, Tantara Voajanahary ( "Histoire Naturelle" amin'ny teny frantsay), dia nosoratan'i Pliniosy Be Taona tamin'ny 77 CE tany ho any. Ny raki-pahalalana araka ny amantaratsika azy amin'izao fotoana izao, dia nipoitra tamin'ny taonjato faha 17. Tafiditra anaty boky iray ny raki-pahalalana, kanefa ny raki-pahalalana sasany, toa ny Encyclopaedia Britannica amin'ny fiteny anglisy, na ny Enciclopedia universal ilustrada europeo-americana amin'ny fiteny espaniola, dia raki-pahalalana misy "volume" amam-polony (32 ho an'ilay voalohany, 70 ho an'ilay faharoa). Ankehitriny, misy raki-pahalalana elektrônika (an-tranonkala na amin'ny CD), toa i Wikipedia (manana sampanana amin'ny fiteny mahery ny 250), na Citizendium. (tohiny...)
I Filipina na amin’ny anarany lava Repoblikan’i Filipina, na amin’ny fiteny tagalaogy Republika ng Pilipinas, na amin’ny fiteny anglisy, Republic of the Philippines, dia firenena iray eo amin’ny tambanosy miisa nosy 7 107 ary manana velarantany telo hetsy kilometatra toradroa (90%-n’ny velarantan’i Filipina ny nosy roa ambin’ny folo lehibe indrindra). Nosy mahery ny roa arivo no misy mponina mipetraka ary 2 400 no isan’ireo nosy tsy manana anarana. Any amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Pasifika no misy an’i Filipina. Ny firenena manodidina azy dia i Taiwan any avaratra, ny faritany atsinanan’i Malaizia (Borneo), Brunei, ary Indonezia (Faritany Indonezianin’i Borneo na Kalimantan).
Ireo faritany telon’i Filipina dia Luzon, Visaya ary Mindanao. Ny nosin’i Luzon no lehibe indrindra ary avaratra indrindran’ny firenena, ary ao no misy ny renivohiny Manila ary ny tanàna lehibe indrindra Quezon City, miisa 15 tapitrisa mponina. Eo amin’ny faritany afovoan’i Filipina no misy an’i Visaya, ahitana ny nosy Negros, Cebu, Bohol, Panay, Masbate, Samar ary Leyte. Any atsimo no ahitana an’i Mindanao, nosy faharoa amin’ny velarantaniny. Davao, Marawi ary Zamboanga ary Cagayan no tanàna lehibe ao amin’ny nosin’i Mindanao. Any atsimo andrefan’i Mindanao no ahitana ireo nosin’i Sulu ohatr’i Basila, Jolo ary Tawi Tawi ; akaikin’i Borneo no misy azy ireo ary ireo nosy ireo dia itoeran’ny vondrona isilamista mpampatahotra Abu Sayyaf. Any andrefan’i Visaya no misy ny tamba-nosin’i Palawan, miisa nosy 1 700.
(tohiny...)
|
|
◄ ►
|