Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
lahatsoratra 93 415 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Yoweri Museveni tamin’ny Septambra 2015

I Yoweri Kaguta Museveni dia mpanao pôlitika ogandey, filohan’ny Repoblikan’i Oganda nanomboka tamin’ny taona 1986. Teraka tamin’ny taona 1944 izy.

Teraka tao Ntungamo (ao amin’ny faritra atsimo andrefan’i Oganda) i Yoweri Kaguta Museveni. Zanaky ny mpanan-tany be, ao amin’ny vondrona Banyankôle, izy. Mba ho fanomezam-boninahitra ny antokon-tafika faha-7 ao amin’ny tafiky ny mpanjana-tany britanika atao hoe "Abaseveni" nonomezana azy ny anarana hoe Museveni. Tao amin’io antokon-tafika io izy no nanompo niaraka amin’ny Ogandey anarivony maro nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

Nianatra tao amin’ny sekolin’i Ntare izy avy eo nandalina siansa pôlitika sy toekarena tao amin’ny Oneversiten’i Dar es-Salaam any Tanzania tamin’ny taona 1967 hatramin’ny taona 1970. Niditra tao amin’ny fikambanan’ireo saro-piaro amin’ny tanindrazana henjam-pihetsika izy ka lasa filohan’ny Front des étudiants africains révolutionnaires (USARF). Nifanerasera amin’ny mpikambana ao amin’ny Front de libération du Mozambique (Frelimo), izay niady tamin’ny fahefana mpanjana-tany pôrtogey, koa izy ary nianatra ny paika momba ny ady anaty akata tamin’izy ireo.

Tamin’ny taona 1970 dia nody tany Oganda i Yoweri Museveni ka niditra tao amin’ny fitondran’ny filoham-pirenena Milton Obote. Taorian’ny fanonganam-panjakana nataon’i Idi Amin Dada tamin’ny taona 1971 dia nandrositra any Tanzania izy ka nitarika ady anaty akata izay notohanan’ny tafika tanzaniana. Niverina tao Oganda izy tamin’ny taona 1979 raha voaongana ny fitondrana lian-dran’i Idi Amin Dada vokatry ny fidiran’ny tafik’i Tanzania an-tsehatra. Tafatsangana indray ny governemanta sivily. Nankasitrahin’ny vahoaka i Yoweri Museveni sy ny antokony Mouvement patriotique ougandais, nefa i Milton Obote no lany tamin’ny fifidianana nanjakan’ny hosoka sy ny hala-bato tamin’ny taona 1980.

Nisitaka tany amin’ny toeram-ponenany any Andrefana i Yoweri Museveni ka nangana ny National Resistance Army (NRA) tamin’ny taona 1981. Rehefa rava ny fitondran’i Obote ka azon’ny NRA i Kampala dia niakatra teo amin’ny fitondrana i Yoweri Museveni tamin’ny volana Janoary 1986. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

New Moon at sunset.jpg

Ny fanandroana malagasy dia endriky ny fanandroana ataon'ny mpanandro malagasy izay andinihany sy ampiharany ny fifandraisan'ny fotoana ahaterahan'ny olona iray na ny fotoana ahatanterahan'ny zavatra iray andaniny, amin'ny toerana sy ny toetran'ireo zavatra eny amin'ny lanitra, indrindra ny Volana, ankilany, araka ny tetiandro nentin-drazana malagasy sy ny fifandraisan'izany amin'ny ho toetr'ilay olona teraka na ilay zavatra miseho na tiana hotanteraka. Izany fifandraisana izany no atao hoe vintana. Ambaran'ny mpanandro malagasy fa mamaritra ny toetra sy ny hoavin'ny olona ateraka na ny zavatra tanterahina tandrify azy ny vintana nefa azo ovana izany amin'ny alalan'ny fanalana vintana na fanalana faditra raha ratsy ka atahorana hitera-doza io vintan-dratsy io. Tsy ny vintana mifandray amin'ny Volana sy ny kintana ihany anefa no voakasiky ny fanandroana malagasy fa ny vanim-potoana rehetra hatramin'ny andro ao amin'ny herinandro sy ny fizaràn'ny andro, ka hatramin'ny fizaran-taona sy ny taona koa. Manampy izany ny lafintany (atsimo, avaratra, atsinanana sns) sy ny zavatra hafa toy ny tany, ny rivotra, ny afo ary ny rano sns. Tsy ny volana sy ny andro ihany no manan-danja eo amin'ny fanandroana malagasy fa ny fizarazaran'ny andro koa, toy ny maraina sy ny tolakandro, ny andro sy ny alina, ny miposaka masoandro sy ny mitatao vovonana sy ny milentika masoandro sns. Noho izany dia tsy ny fotoana ihany no sahanin'ny fanandroana malagasy fa ny erana na ny habaka koa.

Fanao andavanandro teto Madagasikara ny fankanesana any amin'ny mpanandro teo amin'ireo andriana tamin'ny taonjato faha-18 sy faha-19. Tao Imerina teo antenantenan'ny taonjato faha-19 dia nahay nanandro ny iray ampahatelon'ny olona.

Araka ny finoan-drazana malagasy dia lova avy amin'ny ray aman-dreny na talenta avy amin'ny Zanahary ny fanandroana. Ilain'ny Nataolo malagasy ny manontany mpanandro alohan'ny hiterahana, hanamboarana trano na fasana, hanaovana hasoavana na fanambadiana, hisantatra na hitokana zavatra, handevina sns. (tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ny anio

El Gouna Bus R01.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao, Brexit[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 



Hamaky amin'ny fiteny hafa