Wikipedia:Fandraisana
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
|
lahatsoratra 91 683 amin’ny teny malagasy |
Takelak’ity volana ityNy Taom-baovao malagasy dia ny fiandohan'ny taona malagasy sy ny fankalazana izany izay mitranga eto Madagasikara sy any ivelany koa amin'ny andro voalohan'ny taona voafaritra araka ny tetiandrom-panandroam-bolana na amin'ny fomba hafa. Amin'izao taonjato faha-21 izao dia mizara ny hevitr'ireo mpankalaza ny taom-baovao malagasy. Ao ny mitazona ny daty amin'ny fizaran-taona fararano, izay heverin'ny mpomba izany hevitra izany fa mifanandrify amin'ny Alahamadibe taloha, ka mankalaza ny taom-baovao amin'ny volana Marsa na Avrily. Ao koa ireo mitana ny daty ao amin'ny lohataona ka amin'ny volana Septambra no ankalazana izany. Ity vanim-potoana faharoa ity dia fantatra koa amin'ny anarana hoe Volambita, araka ny anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity. Ao koa ireo manaraka ny tetiandro malagasy manara-bolana tanteraka ka tsy mihazona volana na daty gregoriana raikitra hankalazany ny taom-baovao malagasy. Misy ny mihevitra izany tsy fifanarahan-kevitry ny mpankalaza ny taom-baovao malagasy izany ho olana tokony ho vahana, nefa ao koa ireo mihevitra izany fahamaroan'ny andro fankalazana izany ho fananan'ny Malagasy harena ara-kolontsaina. Ny tena mafana fo amin'ny fankalazana ny taom-baovao, indrindra ilay heverina fa mifanadrify amin'ny tsinanana Alahamady, dia ireo lazaina fa taranak'andriana merina ao Antananarivo sy ny manodidina, nefa misy koa matetika ny fanasana ireo ampanjaka sy tangalamena sns avy any ivelan'Antananarivo. (tohiny...)
Lahatsoratra tsara vakianaI Filipina na amin’ny anarany lava Repoblikan’i Filipina, na amin’ny fiteny tagalaogy Republika ng Pilipinas, na amin’ny fiteny anglisy, Republic of the Philippines, dia firenena iray eo amin’ny tambanosy miisa nosy 7 107 ary manana velarantany telo hetsy kilometatra toradroa (90%-n’ny velarantan’i Filipina ny nosy roa ambin’ny folo lehibe indrindra). Nosy mahery ny roa arivo no misy mponina mipetraka ary 2 400 no isan’ireo nosy tsy manana anarana. Any amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Pasifika no misy an’i Filipina. Ny firenena manodidina azy dia i Taiwan any avaratra, ny faritany atsinanan’i Malaizia (Borneo), Brunei, ary Indonezia (Faritany Indonezianin’i Borneo na Kalimantan). Ireo faritany telon’i Filipina dia Luzon, Visaya ary Mindanao. Ny nosin’i Luzon no lehibe indrindra ary avaratra indrindran’ny firenena, ary ao no misy ny renivohiny Manila ary ny tanàna lehibe indrindra Quezon City, miisa 15 tapitrisa mponina. Eo amin’ny faritany afovoan’i Filipina no misy an’i Visaya, ahitana ny nosy Negros, Cebu, Bohol, Panay, Masbate, Samar ary Leyte. Any atsimo no ahitana an’i Mindanao, nosy faharoa amin’ny velarantaniny. Davao, Marawi ary Zamboanga ary Cagayan no tanàna lehibe ao amin’ny nosin’i Mindanao. Any atsimo andrefan’i Mindanao no ahitana ireo nosin’i Sulu ohatr’i Basila, Jolo ary Tawi Tawi ; akaikin’i Borneo no misy azy ireo ary ireo nosy ireo dia itoeran’ny vondrona isilamista mpampatahotra Abu Sayyaf. Any andrefan’i Visaya no misy ny tamba-nosin’i Palawan, miisa nosy 1 700. (tohiny...) |
Sarin’ity herinandro ity
Ny vaovao
EfemeridaMbola tsy misy ankehitriny ny pejy mikasika ny Sabotsy 18 Mey ao amin'ny efemerida. Ka raha tianao dia azonao ampiana na foronina ity pejy ity. Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny. Aloha ny mamorona pejy efemerida ianao, vakio ny toromarika (tsindrio eto raha te-hijery azy amin'ny teny anglisy) |
Manana ny tohan'ny Wikimedia Foundation ireo volavola :
Meta-Wiki Toerana iraisan'ny fikambanan'ny tetikasa rehetra |
Wikibolana Raki-bolana malalaka |
Wikigazety Gazety malalaka (incubator) | |||||
Wikiboky Lahatsoratra sy boky malalaka |
Wikitanisa raki-pitanisana |
Wikifamakiam-boky famakiam-boky | |||||
Wikiversite Komonitia Pedagôjika |
Wikispecies Tetikasa iraisana |
Wikimedia Commons Toerana ametrahana ny rakitra Multimedia |