Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Alarobia 27 Septambra 2017, 20h48 (UTC+3)
lahatsoratra 84 691 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Hangeul.png

Ny abidy koreanina izay azo antsoina ihany koa hoe hangul (hanja : 諺文 ; hangul : 한글 hangŭl, hangeul) na Chosŏn'gŭl (ao Korea Avaratra) dia abidy noforonina hanoratana ny fiteny koreanina. Ny tanjon'io fiforonana io dia hampihena ny tsifahaizana manoratra sy mamaky teny any Korea. Nivadika soratra ofisialy ny abidy hangul tamin'ny famoaha-dalàna tamin'ny taona 1894. Any korea avaratra, chosŏn'gŭl (조선글) no anaran'io abidy io.

Abidy tsy mampiasa sora-baventy ny soratra hangul. Ny hangul dia mampiasa litera 51, ary tononina hoe jamo (자모) izy ireo.

Arka ny lazain'i Louis-Jean Calvet, ny hangul, abidy iray mirindra tsara amin'ny rafi-peon'ny fiteny koreanina, ka anisan'ny abidy tsara indrindra eto an-tany.

Ankehitriny, ny endri-tsoratra hangul dia anisan'ny mampisongadina ny koreanina. Ny hanja (fomba fanoratana miendri-tsoratra sinoa) ankehitriny dia tsy ampiasaina intsony amin'ny fiainana mandavanandro ; ny asa soratra siantifika no tena mampiasa azy mba hampiavaka ny ireo teny mitovy tsipelina. Ny hanja no nanoratana ny teny koreanina hatramin'ny faramparan'ny taonjato faha-19. Efa nandramana nampiasain'ny fiteny hafa ny fiteny koreanina. Nanandrana nampiasa io abidy io ny fiteny cia-cia (ao Indonezia) nandritry ny taona vitsivitsy, fa niverina tamin'ny abidy latina indray noho ny tsifankasitrahan'ny manam-pahefana indonezianina. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny alahamady dia teny arabo nogasiana izay milaza zavatra telo loha amin'ny foko merina:

Dikany voalohany: Tamin'ny voalohan'ny taonjato faha-16, rehefa tafakatra taty anivon'ny riaka, tao Ambohidrabiby ny mpanjaka arabo iray atao hoe Rabiby, mpanjaka malaza tamin'ny fanandroana, ary nandresy ireo vazimba teo amin'ny manodidina an'Ambohidrabiby, dia novainy ho teny arabo ny anarambolana 12 izay tamin'ny teny maley sy vazimba teo aloha. Ny "Alahamady" arak'izany dia iray amin'ireo anarambolana vaovao amin'ny teny arabo nataon-dRabiby ireo. Rabiby sy ny fahaizany mitety andro moa dia voatazon'ny fitenenana manao hoe: "Aza milaza mahita volana alohan'i Rabiby".

Dikany faharoa: entina hilazana vintana (chance) koa ny hoe "Alahamady" ka iray amin'ireo reni-vintana efatra amin'ny malagasy izy. Ny volana 12 mantsy dia samy manana ny vintany avy, izany hoe zanabitana ny volana 8 amin'izany.28 andro eo ho eo moa ny volana iray tamin'ny fanisan'andro malagasy ary ny andro iray dia mitondra anarambolana roa dia ny volana diavina ( io no reny vintana) sy anarambolana iray hafa(zanabitana).Ohatra volana diavina, Alahamady (renivintana), fa ilay zanabitana alohontsy: dia Alahamady alohontsy no vitan'ilay olona. Fa misy kosa olona sady teraka tamin'ny volana alahamady no mbola zanabitana (vava-)alahamady. Toa an-dRalambo, Andriamasinavalona ary Andrianampoinimerina izany.Ny volana alahamady hono no volana tsara indrindra satria ny olona teraka eo dia natao hitondra fanjakana. Ralambo zafikelin-dRabiby dia teraka ny vava alahamady koa lasany ny fanjakana. Tamin'i Rabiby dia voalohan'ny volana amin'ny volana 12 ny volana alahamady.

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ity herinandro ity

Päijänne and päijätsalo.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia