Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Alarobia 24 Mey 2017, 00h33 (UTC+3)
lahatsoratra 83 448 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

漢字, hànzì (soratra nentindrazana ) ary 汉字, hànzì (soratra notsorina).

Ny sinôgrama na ny soratra sinoa dia soratra ampiasaina amin'ny fanoratana ny teny sinoa ary amin'ny teny aziatika hafa. Ny anaran'izy ireo amin'ny teny sinoa dia hanzi. Nampiasaina ho an'ny fanoratana fiteny hafa koa izy ireo: anisan'izany ny fiteny japoney (jereo kanji) ary ny fiteny koreana (jereo hanja) amin'ny teny vietnamiana, ny soratra sinoa dia antsoina hoe chữ Nôm. Ny soratra sinoa no soratra antitra indrindra mbola ampiasaina amin'izao fotoana izao. Amin'ny maha-soratra fampiasa azy ao amin'ny sinôsfera ary ny fahalazany ao Azia Atsinanana, anisan'ny soratra be mpampiasa indrindra eto amin'izao tontolo izao ny soratra sinoa.

An'aliny no isan'ny sinôgrama, na dia fiovana madinika ny sinôgrama hita ao amin'ny andinin-teny taloha aza ny ankamaroan'izy ireo. Ny fanadihadiana tao Sina dia maneho fa ny fahaiza-mampiasa ny soratra sinoa dia mila ny fahafantarana sinôgrama telo hatramin'ny efatra arivo. Ao Japana dia 2.136 no isan'ireo kanji (anaran'ny sinôgrama amin'ny teny japoney) ianarana any am-pianarana. Kanji maro noho izany anefa no tena fampiasa amin'ny fiainana mandavanandro. Maro ireo lisitra sinôgrama tokony fantatry ny tsirairay, ary samy manana ny azy ny firenena mampiasa ny soratra sinoa ; ny soratra nentindrazana dia mbola ampiasaina ao Taiwan, Hong Kong, Macao ary Korea Atsimo. I Japana dia manana ny fombany manokana hanatsorana ny sinôgrama, izay mbola akaiky amin'ny soratra sinoa nentindrazana noho ny soratra sinoa notsorina izay fampiasa ao amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina. Na dia misy aza ny fanatsorarana ataon'ny japoney (izay antsoina hoe shinjitai), ireo soratra tsy fahita matetika dia soratana amin'ny fomba nentindrazana ihany (kyūjitai), izay mitovy tsy misy valaka amin'ny soratra nentindrazana.

Ao Korea Atsimo dia mampianatra ny soratra sinoa amin'ny ambaratongam-pianarana voalohany hatramin'ny faran'ny ambaratonga faharoa na dia tsy fampiasa isan'andro toa ny any Japana sy ny firenena hafa ao amin'ny sinôsfera aza izy ireo. Eo amin'ny 1.800 eo ho eo no isan'ny soratra sinoa ampianarina eny am-pianarana. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny alahamady dia teny arabo nogasiana izay milaza zavatra telo loha amin'ny foko merina:

Dikany voalohany: Tamin'ny voalohan'ny taonjato faha-16, rehefa tafakatra taty anivon'ny riaka, tao Ambohidrabiby ny mpanjaka arabo iray atao hoe Rabiby, mpanjaka malaza tamin'ny fanandroana, ary nandresy ireo vazimba teo amin'ny manodidina an'Ambohidrabiby, dia novainy ho teny arabo ny anarambolana 12 izay tamin'ny teny maley sy vazimba teo aloha. Ny "Alahamady" arak'izany dia iray amin'ireo anarambolana vaovao amin'ny teny arabo nataon-dRabiby ireo. Rabiby sy ny fahaizany mitety andro moa dia voatazon'ny fitenenana manao hoe: "Aza milaza mahita volana alohan'i Rabiby".

Dikany faharoa: entina hilazana vintana (chance) koa ny hoe "Alahamady" ka iray amin'ireo reni-vintana efatra amin'ny malagasy izy. Ny volana 12 mantsy dia samy manana ny vintany avy, izany hoe zanabitana ny volana 8 amin'izany.28 andro eo ho eo moa ny volana iray tamin'ny fanisan'andro malagasy ary ny andro iray dia mitondra anarambolana roa dia ny volana diavina ( io no reny vintana) sy anarambolana iray hafa(zanabitana).Ohatra volana diavina, Alahamady (renivintana), fa ilay zanabitana alohontsy: dia Alahamady alohontsy no vitan'ilay olona. Fa misy kosa olona sady teraka tamin'ny volana alahamady no mbola zanabitana (vava-)alahamady. Toa an-dRalambo, Andriamasinavalona ary Andrianampoinimerina izany.Ny volana alahamady hono no volana tsara indrindra satria ny olona teraka eo dia natao hitondra fanjakana. Ralambo zafikelin-dRabiby dia teraka ny vava alahamady koa lasany ny fanjakana. Tamin'i Rabiby dia voalohan'ny volana amin'ny volana 12 ny volana alahamady.

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ity herinandro ity

Iglesia de san francisco 300 dpi.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia