Fiteny hebreo

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
עִבְרִית ʿIvrit
Isan'ny mpiteny 8,3 tapitrisa
Faritany Flag of Israel.svg Israely, Flag of Palestine.svg Palestina
Sata Teny ofisialin'i Flag of Israel.svg Israely


Ny fiteny hebreo dia fiteny semitika. Tenin’ny jiosy io fiteny io. Ny fikambanana mifehy ny fampiasana ny teny hebreo dia ny Akademian’ny teny hebreo. Teny fampiasan’ny israelita nandritry ny fotoana nitrangan’ny tantara tao amin’ny Baiboly ny teny hebreo. Rehefa resin’i Babilôna i Juda, dia nentina ho andevo tany Babilôna ny Jiosy ka nanomboka niteny aramaika. Tsy nampiasaina tamin’ny fiainana manavanandro intsony ny teny hebreo fa mbola fantatry ny jiosy mpanadihady soratra masina ihany.

Nanan-kevitra ny hanao ny teny hebreo ho fiteny fampiasa indray ny jiosy maro tamin’ny taonjato faharoapolo. Ary lasa tenin’ny firenen’i Israely tamin’ny 1948 ilay fiteny. Avy amin’ny toerana maro ny mponin’i Israely ka nanapa-kevitra ny hianatra hebreo avokoa izy ireo mba hiteny fiteny iray ihany.

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.