Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Alakamisy 2 Febroary 2017, 01h26 (UTC+3)
lahatsoratra 83 412 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Ny Andriandoriamanjaka dia taranaka iray eto Imerina no niandohany.

Rabiby (voalohan'ny taonjato faha-16 aorian'i Kristy), mpanjaka arabo jiosy teo Ambohidrabiby dia nanan-janaka telo ka ny vavimatoa dia i Rabefaravolamanjaka ary ny vavy aivo dia i Ramaintsoanala (niova anarana ho Randapavola). Nisy vady namboarina roa teo Ambohidrabiby tamin'ny nanjakan-dRabiby. Raha tonga hangataka an'i Rabefaravolamanjaka i Andriamanelo mpanjakan'Alasora dia i Randapavola no nomen-dRabiby ho vadiny fa Rabefaravolamanjaka kosa nomeny ho vadin'Andrianamboninolona, zanak'Andriamananitany. Ny Andriandoriamanjaka dia iantsoana ireo zanak'i Rabefaravolamanjaka tamin'Andrianamboninolona zanak'Andriamananitany. Ao antampon'ilay tendrombohitra avo voahodidina hadivory eroa ampita avaratra antsinanan'Ambohidrabiby, atao hoe "Ambohitrandriananahary", no namponenin-dRabiby i Rabefaravolamanjaka sy ireo zanany ary ao Rabefaravolamanjaka no miafina.

(tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny alahamady dia teny arabo nogasiana izay milaza zavatra telo loha amin'ny foko merina:

Dikany voalohany: Tamin'ny voalohan'ny taonjato faha-16, rehefa tafakatra taty anivon'ny riaka, tao Ambohidrabiby ny mpanjaka arabo iray atao hoe Rabiby, mpanjaka malaza tamin'ny fanandroana, ary nandresy ireo vazimba teo amin'ny manodidina an'Ambohidrabiby, dia novainy ho teny arabo ny anarambolana 12 izay tamin'ny teny maley sy vazimba teo aloha. Ny "Alahamady" arak'izany dia iray amin'ireo anarambolana vaovao amin'ny teny arabo nataon-dRabiby ireo. Rabiby sy ny fahaizany mitety andro moa dia voatazon'ny fitenenana manao hoe: "Aza milaza mahita volana alohan'i Rabiby".

Dikany faharoa: entina hilazana vintana (chance) koa ny hoe "Alahamady" ka iray amin'ireo reni-vintana efatra amin'ny malagasy izy. Ny volana 12 mantsy dia samy manana ny vintany avy, izany hoe zanabitana ny volana 8 amin'izany.28 andro eo ho eo moa ny volana iray tamin'ny fanisan'andro malagasy ary ny andro iray dia mitondra anarambolana roa dia ny volana diavina ( io no reny vintana) sy anarambolana iray hafa(zanabitana).Ohatra volana diavina, Alahamady (renivintana), fa ilay zanabitana alohontsy: dia Alahamady alohontsy no vitan'ilay olona. Fa misy kosa olona sady teraka tamin'ny volana alahamady no mbola zanabitana (vava-)alahamady. Toa an-dRalambo, Andriamasinavalona ary Andrianampoinimerina izany.Ny volana alahamady hono no volana tsara indrindra satria ny olona teraka eo dia natao hitondra fanjakana. Ralambo zafikelin-dRabiby dia teraka ny vava alahamady koa lasany ny fanjakana. Tamin'i Rabiby dia voalohan'ny volana amin'ny volana 12 ny volana alahamady.

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ity herinandro ity

Strobilurus esculentus Fichten-Zapfenrübling pic2.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia