Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Sabotsy 17 Septambra 2016, 05h30 (UTC+3)
lahatsoratra 82 717 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Ny raki-pahalalana (izay manana tsipelina maro) dia boky firaketana ny fampahalalana mikasika ny fahaizan'ny olombelona. Ilay raki-pahalalana ankehitriny dia na vita taratasy (toy ny Rakibolana Rakipahalalana) na eo amin'ny Aterineto (toy i Wikipedia) izay mirakitra lahatsoratra maro amin'ny taranja iray ho an'ireo raki-pahalalana manokana, na amin'ny taranja rehetra ho an'ireo raki-pahalanana tsotra.

Roa arivo taona izay no nisian'ny rakipahalalana voalohany ; ny rakipahalalana voalohany, Tantara Voajanahary ("Hisoire Naturelle" amin'ny teny frantsay), dia nosoratan'i Pliniosy Be Taona tamin'ny 77 CE tany ho any. Ny raki-pahalalana araka ny amantaratsika azy amin'izao fotoana izao, dia nipoitra tamin'ny taonjato faha 17. Tafiditra anaty boky iray ny raki-pahalalana, kanefa ny raki-pahalalana sasany, toa ny Encyclopaedia Britannica amin'ny fiteny anglisy, na ny Enciclopedia universal ilustrada europeo-americana amin'ny fiteny espaniola, dia raki-pahalalana misy "volume" amam-polony (32 ho an'ilay voalohany, 70 ho an'ilay faharoa). Ankehitriny, misy raki-pahalalana elektrônika (antranonkala na ambon'ny CD), toa i Wikipedia (manana sampanana amin'ny fiteny mahery ny 250), na Citizendium.

(tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny alahamady dia teny arabo nogasiana izay milaza zavatra telo loha amin'ny foko merina:

Dikany voalohany: Tamin'ny voalohan'ny taonjato faha-16, rehefa tafakatra taty anivon'ny riaka, tao Ambohidrabiby ny mpanjaka arabo iray atao hoe Rabiby, mpanjaka malaza tamin'ny fanandroana, ary nandresy ireo vazimba teo amin'ny manodidina an'Ambohidrabiby, dia novainy ho teny arabo ny anarambolana 12 izay tamin'ny teny maley sy vazimba teo aloha. Ny "Alahamady" arak'izany dia iray amin'ireo anarambolana vaovao amin'ny teny arabo nataon-dRabiby ireo. Rabiby sy ny fahaizany mitety andro moa dia voatazon'ny fitenenana manao hoe: "Aza milaza mahita volana alohan'i Rabiby".

Dikany faharoa: entina hilazana vintana (chance) koa ny hoe "Alahamady" ka iray amin'ireo reni-vintana efatra amin'ny malagasy izy. Ny volana 12 mantsy dia samy manana ny vintany avy, izany hoe zanabitana ny volana 8 amin'izany.28 andro eo ho eo moa ny volana iray tamin'ny fanisan'andro malagasy ary ny andro iray dia mitondra anarambolana roa dia ny volana diavina ( io no reny vintana) sy anarambolana iray hafa(zanabitana).Ohatra volana diavina, Alahamady (renivintana), fa ilay zanabitana alohontsy: dia Alahamady alohontsy no vitan'ilay olona. Fa misy kosa olona sady teraka tamin'ny volana alahamady no mbola zanabitana (vava-)alahamady. Toa an-dRalambo, Andriamasinavalona ary Andrianampoinimerina izany.Ny volana alahamady hono no volana tsara indrindra satria ny olona teraka eo dia natao hitondra fanjakana. Ralambo zafikelin-dRabiby dia teraka ny vava alahamady koa lasany ny fanjakana. Tamin'i Rabiby dia voalohan'ny volana amin'ny volana 12 ny volana alahamady.

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ity herinandro ity

Sadu Kathmandu Pashupatinath 2006 Luca Galuzzi.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ady an-trano fahatelo ao Santrafrika, Krizy politika ao Tailandy, Ady an-trano ao Siria, Fanjavonan'ny sidina MH370, Fikorontanana ao Okraina, Krizin'ny trosa ao amin'ny Faritra Euro [ovaina]

29 Aprily 2016

Lozam-pifamoivozana teny amin’ny Digue sy tany Mahitsy Antananarivo : 12 no maty, 37 naratra mafy

Nanoloany izany, dia nitsidika tao amin’ny hopitaly HJRA ireo niharam-boina ny filoha ‪Hery ‎Rajaonarimampianina‬ alina, nankahery ireo naratra sy naneho ny fiaraha-miory tamin’ireo fianakaviana namoy havana.

Baiko hentitra no nomeny ny tompon’andraikitra rehetra mba hanamafy ny fampiharana ny lalàna sy ny fitsipiky ny fifamoivozana, hampihatra tsy misy indrafo ny famaizana amin’izay mihoa-pefy, ary hanaramaso akaiky ny fanomezana alàlana hamily fiara, indrindra eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka.

Niantso ireo mpitatitra izy mba ho matihanina ny mpamily ampiasaina satria ain’olona no lalaovin’ireo manao kitoatoa amin’ny asany. Asiana sampan’ny BANCO koa, hoy ny filoha, eny amin’ireo toby fitsirihana ara-teknika mba tsy ho nohon’ny kolikoly no ahazoana alàlana, kanefa hitera-doza satria tsy tomombana ny fiara.[1]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 

  1. http://www.presidence.gov.mg/accidents-de-taxibe-application-stricte-des-lois-et-reglements/