Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Zoma 19 Febroary 2016, 21h13 (UTC+3)
lahatsoratra 81 237 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Ny lambamena dia ilazana lamba hamonosana ny maty teo amin'ny Ntaolo. Anarana fotsiny ihany ny lambamena fa mety ho volonkazo ny lokony, mety ho fotsy na mavo na mena mihitsy, angamba noho izy mivadika mena rehefa ela namonosana razana no nahatonga ny anarany hoe "lambamena" (marihana moa fa ny mena tamin'ny malagasy taloha dia somary miloko volontany mifangaro loko mena).

Samy manana ny soratra sy lokony ireny lambamena ireny ary ny sasany aza dia misy ny anaran'ilay razana vita amin'ny vakana.

Miankina amin'ny lokony sy ny halehibeny (misy telo vitrana, 5 vitrana, sns...) anefa no vidiny. Araka ny fiteny hoe "izay sahy maty no mifono lambamena" dia ny lamba miloko mena no tena lafo vidy ka ireo olona manankaja sy mahery fo teo amin'ny fiarahamonina no tena nividiananan'ny olona azy sy notolorana azy satria mendrika izany noho ny vidiny. Ireo lamba tsy dia misy loko firy kosa (volonkazo) dia mora kokoa ny vidiny.

Ny "lamba landy" kosa dia ampiasaina hilazana ireo lamba vita amin'ny landy saingy hitafian'ny velona. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny alahamady dia teny arabo nogasiana izay milaza zavatra telo loha amin'ny foko merina:

Dikany voalohany: Tamin'ny voalohan'ny taonjato faha-16, rehefa tafakatra taty anivon'ny riaka, tao Ambohidrabiby ny mpanjaka arabo iray atao hoe Rabiby, mpanjaka malaza tamin'ny fanandroana, ary nandresy ireo vazimba teo amin'ny manodidina an'Ambohidrabiby, dia novainy ho teny arabo ny anarambolana 12 izay tamin'ny teny maley sy vazimba teo aloha. Ny "Alahamady" arak'izany dia iray amin'ireo anarambolana vaovao amin'ny teny arabo nataon-dRabiby ireo. Rabiby sy ny fahaizany mitety andro moa dia voatazon'ny fitenenana manao hoe: "Aza milaza mahita volana alohan'i Rabiby".

Dikany faharoa: entina hilazana vintana (chance) koa ny hoe "Alahamady" ka iray amin'ireo reni-vintana efatra amin'ny malagasy izy. Ny volana 12 mantsy dia samy manana ny vintany avy, izany hoe zanabitana ny volana 8 amin'izany.28 andro eo ho eo moa ny volana iray tamin'ny fanisan'andro malagasy ary ny andro iray dia mitondra anarambolana roa dia ny volana diavina ( io no reny vintana) sy anarambolana iray hafa(zanabitana).Ohatra volana diavina, Alahamady (renivintana), fa ilay zanabitana alohontsy: dia Alahamady alohontsy no vitan'ilay olona. Fa misy kosa olona sady teraka tamin'ny volana alahamady no mbola zanabitana (vava-)alahamady. Toa an-dRalambo, Andriamasinavalona ary Andrianampoinimerina izany.Ny volana alahamady hono no volana tsara indrindra satria ny olona teraka eo dia natao hitondra fanjakana. Ralambo zafikelin-dRabiby dia teraka ny vava alahamady koa lasany ny fanjakana. Tamin'i Rabiby dia voalohan'ny volana amin'ny volana 12 ny volana alahamady.

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ity herinandro ity

Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ady an-trano fahatelo ao Santrafrika, Krizy politika ao Tailandy, Ady an-trano ao Siria, Fanjavonan'ny sidina MH370, Fikorontanana ao Okraina, Krizin'ny trosa ao amin'ny Faritra Euro [ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 

Tetikasa Wikipedia amin'ny fiteny vahiny

Lisitry ny Wikipedia


Folo lehibe indrindra : anglisyalemanafrantsaynerlandeyitalianapoloneyespaniolarosyjaponeyportogey


Amin'ny fiteny afrikana : Afar  — Afrikaans  — Akan  — አማርኛ  — Bamanankan  — Chi-Chewa  — chiTumbuka  — Fulfude  — Gĩkũyũ  — Hausa / هَوُسَ  — Igbo  — isiXhosa  — isiZulu  — Kanuri  — Kinyarwanda  — Kirundi  — Kiswahili  — Kongo  — Kuanyama  — Lingala  — Luganda  — MalagasyMalti  — Oromoo  — Oshiwambo  — Otsiherero  — Sängö  — seSotho  — Setswana  — SiSwati  — Soomaaliga  — ትግርኛ  — Tshivenda  — Twi  — Wolof  — Xitsonga  — Yorùbá 

Hamaky amin'ny fiteny hafa