Nepal

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
संघीय लोकतान्त्रिक गणतन्त्रात्मक नेपाल
Sanghiya Loktantrik Ganatantratmak Nepāl
Endrika:Ne
{{{nom_malgache}}} ((mg))
Sainan'i Nepal Mari-piandrianan'i Népal
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : जननी जन्मभूमिष्च स्वर्गादपि गरियसि
Ja'nani Jan'mabhumis'hcha Swar'gadapi Gariya'si'
Nepal in its region.svg
Teny ofisialy fiteny Nepaley
Renivohitra Katmandu
27°42′N, 85°19′E
Tanàna ngeza indrindra Katmandu
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
 - filoha faharoa
 - praiministra
Repoblika federaly
Bidhya Devi Bhandari
Nanda Kishor Pun
Khadga Prasad Oli
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 93
147 181 km²
2,8%
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 40
29 519 114 mpo.
197 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Nepaley
Sandam-bola Ropia nepaley (NPR)
Fiozao ny ora UTC +5h45
Hiram-pirenena Sayaun Thunga Phool Ka
(Vony zato)
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+977

Ny Nepal (amin'ny fiteny nepaley : नेपाल) na Repoblika Demokratika Federalin'i Nepal, dia firenena himalaianina, voaaty, voafaritry ny Sina (faritany mizaka-tenan'i Tibeta) any avaratra, ny India any andrefana, any atsimo sy any atsinanana.

Na dia kely aza, betsaka ny endriky ny faritra any nepal, avy amin'ny toe-tany tropikaly any atsimo hatramin'ny tendrombohitra avo indrindra eto an-tany any avaratra. Any Nepal ny valo amin'ny tendrombohitra folo avo indrindra eto an-tany. Misy ny tendrombohitra Everest (Sagarmatha amin'ny fiteny nepaley) mamaritra ny sisin-tany zarain'ny Nepaly amin'ny Sina.

Nampalaza azy ny zavatra azony ataony amin'ny fizahantany, ny trekking, ny alpinisma, ny VTT, ny safari, ny rafting sy ny tempoly maro sy ny toerana ivavahana.

Ny renivohitr'i Nepal dia Katmandu (ara-politika sy ara-pinoana) ary izy no tanàna ngeza indrindra any Nepal. Ny tanàna hafa manam-pianjadiana dia Pokhara, Biratnagar, Lalitpur (Patan), Bhaktapur, Birendranagar, Hetauda, Butwal, Bharatpur, Siddhartanagar (Bhairahawa), Birganj, Janakpur, Nepalganj, Hetauda, Dharan, Dhangadhi, ary Mahendranagar.

Ny teny ofisialin'i Nepal dia fiteny nepaley ary ny sandam-bola dia ropia nepaley. Misy foko sy kasitra 60 any Nepal. Ny kasitra ny Chhetri (Kshatriya) dia vondrona maro an'isa any Nepal (15,8%-n'ny isam-ponina). Ny kasitra ny Bahun (Brahmana) dia vondrona faharoa any Nepal (13,3%-n'ny isam-ponina araka ny census-n'ny 2001). Ny newar, foko voalohany indrindra nipetraka tao Nepal dia 5,4%-n'ny isam-ponina ao Nepal. Ny fitenin'izareo : ny fiteny newari dia mbola tenenina ao amin'ny lohasahan'i Katmandu. Ny foko hafa mbola misy ao Nepal dia ny herpa, ny Tamang, ny Gurung, ny Thakali, ny Kiranti ary ny Magar.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.