Fiteny latina

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Latina)
Hanketo: Fikarohana, karohy
fiteny latina
lingua latina

Isan'ny mpiteny tsy misy intsony: ny tney latina ankehitriny malaza dia ny fiteny italianina, espaniola, frantsay ary portogey
Faritany Flag of the Holy See.svg Vatikana, Eoropa Atsimo ary Andrefana
Sata teny ofisialy ao Vatikana


Ny fiteny latina (amin'ny teny latina lingua latīna) dia fiteny taloha notenenin'ny mponina tao amin'ny faritr'i Latium, eo amin'ny misy an'i Roma ankehitriny. Io fiteny io dia avy amin'ny fiteny Indo-eoropeana voalohany tahaka ny ankabeazan'ny fiteny notenenina tao Eoropa. Ny fiteny latina dia avy ao amin'ny tanjona italianina. Na dia lazaina fa fiteny maty aza io fiteny io, ny fiteny rômana izay mbola ampiasaina ankehitriny (frantsay, espaniola, italiana, romainina) dia endrika nivoatra an'io fiteny io. Na dia fiteny maty aza izy io, betsaka ireo olona mahafehy azy, mianatra azy ary mampianatra azy erak'izao tontolo izao.

Mbola ampiasain'ny fiteny ankehitriny amin'ny famoronana voambolana vaovao ny fiteny latina, ary mbola ampiasaina amin'ny fanomezana anarana ny zava-miaina.

Nohon'ny herin'ny tafika romana tamin'ny andro fotoany ary nohon'ny fahefana omen'ny fifehezana teny latina, dia niparitaka eraky ny Mediteranea ny fiteny latina, izay nipoiran'ny fitenim-paritra nanome ny fiteny rômana ankehitriny.

Taorian'ny fanjavonan'ny Empira rômana tamin'ny taonjato fahadimy, dia nihavitsy hatrany ny isan'ireo olona nahay ny fiteny latina, ary noho izay havitsian'ny fampianarana dia feno teny avy amin'ny fiteny jermanika ary rômana tamin'izany fotoana ny fiteny latina nampiasaina tamin'ny Taona Afovoany.

Nanomboka tamin'ny taonjato faha-15 ary hatramin'ny taonjato faha-18 dia nesorin'ireo mpanoratra latina eoropeanina ireo teny avy amin'ny teny jermanika ary ireo teny avy amin'ny fiteny rômana. Nandritry ny taonjato telo dia nampiasaina ho teny iraisam-pirenena, teny iofanana ary teny ampiasain'ny siansa ny fiteny latina.

Fihalatra[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny latina dia fiteny voasintona avy amin'ny teny indô-eoropeana, na dia misy tsy manaiky io hevitra io aza ny mpandrali-piteny.

Fiparitahana ara-toe-tany[hanova | hanova ny fango]

Teny ofisialy ny Fiangonana Katolika ny fiteny latina. Fiteny frantsay ny tenin'ny diplômasia any vatikana, fa ny fiteny italiana ny tena apiasaina any amin'ny firenena vatikanina.

Teny voasintona[hanova | hanova ny fango]

Ny teny romana (toy ny fiteny espaniola, ny teny Oïl sy ny fiteny frantsay, ny fiteny italiana, ny teny Oc, ny katalana, ny portogesy, ny romantsa ary ny romaina) dia voasintona avy amin'ny fiteny latina. Karazana sintezy ireo fiteny romana ireo ny interlingua, afaka azon'ny olona 900 tapitrisa (tontalin'ny mpiteny fiteny romana)avy hatrany io fiteny io.

Fanoratana[hanova | hanova ny fango]

Ny romana ny namorona ny abidy latina ; ireo ny litera ampiasain'ny abidy latina.

A B C D E F G H I K L M N O P Q(V) R S T V X Y Z
a b c d e f g h i k l m n o p q(u) r s t u x y z
a b k d e f g h i na j k l m n o p r s t u na w [ks] y [zz]