Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Alatsinainy 13 Jolay 2015, 17h56 (UTC+3)
lahatsoratra 79 339 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Ny zotra Fianarantsoa-Côte Est , na FCE , dia zotran-dalamby ao Madagasikara mandalo amin'ny tanànan'i Fianarantsoa amin'nyamorintsiraka atsinanan'ny nosy, ary indrindra indrindra ao Manakara, izay ao amin'ny faritanin'i Fianarantsoa ihany koa. Mitondra ny anaran'ilay zotra ny orinasa mpitrandraka, Fianarantsoa Côte Est.

Misy zotra telo hafa trandrahana ao Madagasikara, izay ao Avaratra Atsinanan'ny nosy, samy mifanohy ary tantanan'i Madarail.

Ny mpanjanaka frantsay no namboatra azy io tamin'ny 1926. Nalefa an-tapatapany ny zotra FCE. Avy ao Manakara hatrany Manampatrana ary mandalo amin' Ambinany ny singa voalohany tamin'ny 24 Jolay 1934. Naitatra ny 1 Jolay 1935 hatrany Tolongoina ny zotra ary tanteraka ny 1 Aprily 1936 163 km no halavany, ary mandalo amina gara 17 (De Cantelou no mpandrafi-trano), tetezana 65 ary tonelina 48 no hita amin'iay zotra. 1074 m no refin'ny ao Ankarapotsy. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny alahamady dia teny arabo nogasiana izay milaza zavatra telo loha amin'ny foko merina:

Dikany voalohany: Tamin'ny voalohan'ny taonjato faha-16, rehefa tafakatra taty anivon'ny riaka, tao Ambohidrabiby ny mpanjaka arabo iray atao hoe Rabiby, mpanjaka malaza tamin'ny fanandroana, ary nandresy ireo vazimba teo amin'ny manodidina an'Ambohidrabiby, dia novainy ho teny arabo ny anarambolana 12 izay tamin'ny teny maley sy vazimba teo aloha. Ny "Alahamady" arak'izany dia iray amin'ireo anarambolana vaovao amin'ny teny arabo nataon-dRabiby ireo. Rabiby sy ny fahaizany mitety andro moa dia voatazon'ny fitenenana manao hoe: "Aza milaza mahita volana alohan'i Rabiby".

Dikany faharoa: entina hilazana vintana (chance) koa ny hoe "Alahamady" ka iray amin'ireo reni-vintana efatra amin'ny malagasy izy. Ny volana 12 mantsy dia samy manana ny vintany avy, izany hoe zanabitana ny volana 8 amin'izany.28 andro eo ho eo moa ny volana iray tamin'ny fanisan'andro malagasy ary ny andro iray dia mitondra anarambolana roa dia ny volana diavina ( io no reny vintana) sy anarambolana iray hafa(zanabitana).Ohatra volana diavina, Alahamady (renivintana), fa ilay zanabitana alohontsy: dia Alahamady alohontsy no vitan'ilay olona. Fa misy kosa olona sady teraka tamin'ny volana alahamady no mbola zanabitana (vava-)alahamady. Toa an-dRalambo, Andriamasinavalona ary Andrianampoinimerina izany.Ny volana alahamady hono no volana tsara indrindra satria ny olona teraka eo dia natao hitondra fanjakana. Ralambo zafikelin-dRabiby dia teraka ny vava alahamady koa lasany ny fanjakana. Tamin'i Rabiby dia voalohan'ny volana amin'ny volana 12 ny volana alahamady.

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ity herinandro ity

Dead Vlei 4.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ady an-trano fahatelo ao Santrafrika, Krizy politika ao Tailandy, Ady an-trano ao Siria, Fanjavonan'ny sidina MH370, Fikorontanana ao Okraina, Krizin'ny trosa ao amin'ny Faritra Euro [ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia