Madagasikara na Repoblikan'i Madagasikara (anarana ofisialy) dia firenena ao amin'ny Ranomasimbe Indianina. Fitambarana nosy i Madagasikara raha amin'ny lafin'ny firenena no jerena. Madagasikara ihany koa no iantsoina ilay nosy malagasy lehibe miendrika tongotra havia. Nosy fahefatra lehibe indrindra eto an-tany ny nosy Madagasikara. Toerana fonenan'ny 5%-n'ny biby sy zavamaniry misy eto amin'izao tontolo izao; ka mihoatra ny 80%-n'ireo dia Madagasikara irery ihany no manana azy (na ahitana azy eto an-tany). Voasokajy ao anatin'ireo ny Gidro sy ny Rajako isankarazany, ny fosa, ny fianakaviam-borona telo (3) sy zava-maniry toy ny Baobaba izay ahitana sokajy mihotra ny enina (6).
I Madagasikara dia nipoitra tamin'nny fiparitahan'ny kaontinanta Gondwana tamin'ny taona tamin'ny taona -35 tapitrisa talohan'i Jesoa Kristy : voalohany i Madagasikara ary i India dia nisaraka tamin'i Afrika ary dimampolo tapitrisa taona taoriana, nisaraka tamin'i India i Madagasikara ary nitokana teo hatramin'izao fotoana izao. Noho izany dia tsy hita na aiza na aiza afatsy any Madagasikara valopolo isan-jaton'izay karazam-biby sy karazan-javatra misy any. Misy faritra ekolojika maromaro ao Madagasikara ary mihakely dia mihakely ireo faritra ekôlôjika noho ny asan'ny olombelon (tavy, fandringanana ny ala, fihazanana ny biby) ; ankehitriny dimy amin'ny sivipolo isan-jaton'ny ala taloha no voaringana.
(tohiny...)
Ny alahamady dia teny arabo nogasiana izay milaza zavatra telo loha amin'ny foko merina:
Dikany voalohany: Tamin'ny voalohan'ny taonjato faha-16, rehefa tafakatra taty anivon'ny riaka, tao Ambohidrabiby ny mpanjaka arabo iray atao hoe Rabiby, mpanjaka malaza tamin'ny fanandroana, ary nandresy ireo vazimba teo amin'ny manodidina an'Ambohidrabiby, dia novainy ho teny arabo ny anarambolana 12 izay tamin'ny teny maley sy vazimba teo aloha. Ny "Alahamady" arak'izany dia iray amin'ireo anarambolana vaovao amin'ny teny arabo nataon-dRabiby ireo. Rabiby sy ny fahaizany mitety andro moa dia voatazon'ny fitenenana manao hoe: "Aza milaza mahita volana alohan'i Rabiby".
Dikany faharoa: entina hilazana vintana (chance) koa ny hoe "Alahamady" ka iray amin'ireo reni-vintana efatra amin'ny malagasy izy. Ny volana 12 mantsy dia samy manana ny vintany avy, izany hoe zanabitana ny volana 8 amin'izany.28 andro eo ho eo moa ny volana iray tamin'ny fanisan'andro malagasy ary ny andro iray dia mitondra anarambolana roa dia ny volana diavina ( io no reny vintana) sy anarambolana iray hafa(zanabitana).Ohatra volana diavina, Alahamady (renivintana), fa ilay zanabitana alohontsy: dia Alahamady alohontsy no vitan'ilay olona. Fa misy kosa olona sady teraka tamin'ny volana alahamady no mbola zanabitana (vava-)alahamady. Toa an-dRalambo, Andriamasinavalona ary Andrianampoinimerina izany.Ny volana alahamady hono no volana tsara indrindra satria ny olona teraka eo dia natao hitondra fanjakana. Ralambo zafikelin-dRabiby dia teraka ny vava alahamady koa lasany ny fanjakana. Tamin'i Rabiby dia voalohan'ny volana amin'ny volana 12 ny volana alahamady.
(tohiny...)