Wikipedia:Fandraisana
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
|
Sabotsy 23 Novambra 2013, 16h29 (UTC+3) lahatsoratra 47 113 amin’ny teny malagasy |
Takelak’ity volana ityI Filipina na amin’ny anarany lava Repoblikan’i Filipina, na amin’ny fiteny tagalaogy Republika ng Pilipinas, na amin’ny fiteny anglisy, Republic of the Philippines, dia firenena iray eo amin’ny tambanosy miisa nosy 7 107 ary manana velarantany telo hetsy kilometatra toradroa (90%-n’ny velarantan’i Filipina ny nosy roa ambin’ny folo lehibe indrindra). Nosy mahery ny roa arivo no misy mponina mipetraka ary 2 400 no isan’ireo nosy tsy manana anarana. Any amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Pasifika no misy an’i Filipina. Ny firenena manodidina azy dia i Taiwan any avaratra, ny faritany atsinanan’i Malaizia (Borneo), Brunei, ary Indonezia (Faritany Indonezianin’i Borneo na Kalimantan). Ireo faritany telon’i Filipina dia Luzon, Visaya ary Mindanao. Ny nosin’i Luzon no lehibe indrindra ary avaratra indrindran’ny firenena, ary ao no misy ny renivohiny Manila ary ny tanàna lehibe indrindra Quezon City, miisa 15 tapitrisa mponina. Eo amin’ny faritany afovoan’i Filipina no misy an’i Visaya, ahitana ny nosy Negros, Cebu, Bohol, Panay, Masbate, Samar ary Leyte. Any atsimo no ahitana an’i Mindanao, nosy faharoa amin’ny velarantaniny. Davao, Marawi ary Zamboanga ary Cagayan no tanàna lehibe ao amin’ny nosin’i Mindanao. Any atsimo andrefan’i Mindanao no ahitana ireo nosin’i Sulu ohatr’i Basila, Jolo ary Tawi Tawi ; akaikin’i Borneo no misy azy ireo ary ireo nosy ireo dia itoeran’ny vondrona isilamista mpampatahotra Abu Sayyaf. Any andrefan’i Visaya no misy ny tamba-nosin’i Palawan, miisa nosy 1 700. (tohiny...)Lahatsoratra tsara vakianaNy alahamady dia teny arabo nogasiana izay milaza zavatra telo loha amin'ny foko merina: Dikany voalohany: Tamin'ny voalohan'ny taonjato faha-16, rehefa tafakatra taty anivon'ny riaka, tao Ambohidrabiby ny mpanjaka arabo iray atao hoe Rabiby, mpanjaka malaza tamin'ny fanandroana, ary nandresy ireo vazimba teo amin'ny manodidina an'Ambohidrabiby, dia novainy ho teny arabo ny anarambolana 12 izay tamin'ny teny maley sy vazimba teo aloha. Ny "Alahamady" arak'izany dia iray amin'ireo anarambolana vaovao amin'ny teny arabo nataon-dRabiby ireo. Rabiby sy ny fahaizany mitety andro moa dia voatazon'ny fitenenana manao hoe: "Aza milaza mahita volana alohan'i Rabiby". Dikany faharoa: entina hilazana vintana (chance) koa ny hoe "Alahamady" ka iray amin'ireo reni-vintana efatra amin'ny malagasy izy. Ny volana 12 mantsy dia samy manana ny vintany avy, izany hoe zanabitana ny volana 8 amin'izany.28 andro eo ho eo moa ny volana iray tamin'ny fanisan'andro malagasy ary ny andro iray dia mitondra anarambolana roa dia ny volana diavina ( io no reny vintana) sy anarambolana iray hafa(zanabitana).Ohatra volana diavina, Alahamady (renivintana), fa ilay zanabitana alohontsy: dia Alahamady alohontsy no vitan'ilay olona. Fa misy kosa olona sady teraka tamin'ny volana alahamady no mbola zanabitana (vava-)alahamady. Toa an-dRalambo, Andriamasinavalona ary Andrianampoinimerina izany.Ny volana alahamady hono no volana tsara indrindra satria ny olona teraka eo dia natao hitondra fanjakana. Ralambo zafikelin-dRabiby dia teraka ny vava alahamady koa lasany ny fanjakana. Tamin'i Rabiby dia voalohan'ny volana amin'ny volana 12 ny volana alahamady. (tohiny...) |
Sarin’ity herinandro ityNy vaovaoKrizy ara-bola, Krizin'ny trosa ao amin'ny Faritra Euro [ovaina]
EfemeridaMbola tsy misy ankehitriny ny pejy mikasika ny Sabotsy 23 Novambra ao amin'ny efemerida. Ka raha tianao dia azonao ampiana na foronina ity pejy ity. Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny. Aloha ny mamorona pejy efemerida ianao, vakio ny toromarika (tsindrio eto raha te-hijery azy amin'ny teny anglisy) |
Manana ny tohan'ny Wikimedia Foundation ireo volavola :
Meta-Wiki Toerana iraisan'ny fikambanan'ny tetikasa rehetra |
Wikibolana Raki-bolana malalaka |
Wikigazety Gazety malalaka (incubator) |
|||||
Wikiboky Lahatsoratra sy boky malalaka |
Wikitanisa raki-pitanisana |
Wikifamakiam-boky famakiam-boky |
|||||
Wikiversite Komonitia Pedagôjika |
Wikispecies Tetikasa iraisana |
Wikimedia Commons Toerana ametrahana ny rakitra Multimedia |