Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Talata 23 Aprily 2013, 00h42 (UTC+3)
lahatsoratra 45 359 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Ny vazimba dia anarana niantsoana ireo mponina nonina taty anivon'i madagasikara (taty Imerina sy Betsileo, bara, anjozorobe) talohan'ny nanjakan'i Rabiby sy Andriamanelo (taonjato faha-16 ap JK). Rabiby, mpanjaka arabo, sy Andriamanelo, mpanjaka maley mantsy no navahan'ny lovantsofina fa arabo sy maley ary ireo olomainty mpanompony no angaralahy,fa ireo sisa efa nonina taty anivontany tamin'izany dia vazimba. Ary i Rabiby no nanenjika voalohany ny vazimba sy nanosika azy handositra.

Araka ny tantara,ireo mpitondra fanjakana maley sy arabo tonga taty anivon'i Madagasikara (taty Imerina sy Ibetsileo) nanomboka ny taonjato faha-15 no nampiasa voalohany ny teny hoe " vazimba" mba hiantsoany ireo mponina efa tompontany taty anivon'ny riaka tamin'ny fahatongavany teto. Ohatra amin'izany, i Andriamanelo dia voalazan'ny lovantsofina fa maley, anefa i Rangita sy Rafohy izay renibeny dia voalazan'ny lovantsofina fa vazimba. Toy izany koa, i Rabiby arabo raha nandao an'Ambohitsitakatra Anjozorobe, dia tonga teo Ankotrokotroka (tato aoriana lasa Ambohidrabiby), ka nandroaka ireo mponina teo izay vazimba no nahafantarany azy .

Arak'izany, ny vazimba dia tsy teny hiantsoana firazanan'olona na fanahin'ny maty akory (araka ny filazan'ny sasany hoe rehefa maty ny olona sasany dia lasa vazimba) fa anarana iantsoan'ireo mpanjaka arabo sy maley ireo tompontany taty anivon'ny nosy raha tonga taty anivontany ireo arabo sy maley ireo tamin'ny taonjato faha-16 tao aorian'ny Jesosy Kristy.

(tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny alahamady dia teny arabo nogasiana izay milaza zavatra telo loha amin'ny foko merina:

Dikany voalohany: Tamin'ny voalohan'ny taonjato faha-16, rehefa tafakatra taty anivon'ny riaka, tao Ambohidrabiby ny mpanjaka arabo iray atao hoe Rabiby, mpanjaka malaza tamin'ny fanandroana, ary nandresy ireo vazimba teo amin'ny manodidina an'Ambohidrabiby, dia novainy ho teny arabo ny anarambolana 12 izay tamin'ny teny maley sy vazimba teo aloha. Ny "Alahamady" arak'izany dia iray amin'ireo anarambolana vaovao amin'ny teny arabo nataon-dRabiby ireo. Rabiby sy ny fahaizany mitety andro moa dia voatazon'ny fitenenana manao hoe: "Aza milaza mahita volana alohan'i Rabiby".

Dikany faharoa: entina hilazana vintana (chance) koa ny hoe "Alahamady" ka iray amin'ireo reni-vintana efatra amin'ny malagasy izy. Ny volana 12 mantsy dia samy manana ny vintany avy, izany hoe zanabitana ny volana 8 amin'izany.28 andro eo ho eo moa ny volana iray tamin'ny fanisan'andro malagasy ary ny andro iray dia mitondra anarambolana roa dia ny volana diavina ( io no reny vintana) sy anarambolana iray hafa(zanabitana).Ohatra volana diavina, Alahamady (renivintana), fa ilay zanabitana alohontsy: dia Alahamady alohontsy no vitan'ilay olona. Fa misy kosa olona sady teraka tamin'ny volana alahamady no mbola zanabitana (vava-)alahamady. Toa an-dRalambo, Andriamasinavalona ary Andrianampoinimerina izany.Ny volana alahamady hono no volana tsara indrindra satria ny olona teraka eo dia natao hitondra fanjakana. Ralambo zafikelin-dRabiby dia teraka ny vava alahamady koa lasany ny fanjakana. Tamin'i Rabiby dia voalohan'ny volana amin'ny volana 12 ny volana alahamady.

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ity herinandro ity

Sympetrum flaveolum - side (aka).jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Krizy ara-bola, Krizin'ny trosa ao amin'ny Faritra Euro [ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia