|
Mpandika tamin'ny taona afovoany
Ny soratra dia fomba fametrahana an-tsary ny volan'ny fiteny iray, amin'ny alalan'ny endri-tsoratra soratana na natao sary (eo amina taratasy, ohatra), hahafahana mifanakalo fampahalalana haingana kokoa ary tsy mila feo.
Manasaraka ny Fotoana Nialohan'ny Tantara sy ny Tantara ny taona namoronana ny soratra.
Ny endri-tsoratra voalohany indrindra fantatra amin'izao tontolo izao dia endri-tsoratra hieroglifika hita tany Abydos (400 km miala ao Le Caire) eo amina vilany tany hita tanaty fasam-panjaka taloha. tamin'ny taona -3400 ireo soratra ireo no nosoratana. Taona maromaro taty aoriana, mipoita ny soratra miendrika fantsika an'ny Fanjakambe Someriana, tamin'ny taona -3300 teo ho eo.
Ny fanoratana, hoy i Wells, dia fahafahana "mametraka fifanekena, lalàna ary ny didy. (tohiny...)
|
|
Ny alahamady dia teny arabo nogasiana izay milaza zavatra telo loha amin'ny foko merina:
Dikany voalohany: Tamin'ny voalohan'ny taonjato faha-16, rehefa tafakatra taty anivon'ny riaka, tao Ambohidrabiby ny mpanjaka arabo iray atao hoe Rabiby, mpanjaka malaza tamin'ny fanandroana, ary nandresy ireo vazimba teo amin'ny manodidina an'Ambohidrabiby, dia novainy ho teny arabo ny anarambolana 12 izay tamin'ny teny maley sy vazimba teo aloha. Ny "Alahamady" arak'izany dia iray amin'ireo anarambolana vaovao amin'ny teny arabo nataon-dRabiby ireo. Rabiby sy ny fahaizany mitety andro moa dia voatazon'ny fitenenana manao hoe: "Aza milaza mahita volana alohan'i Rabiby".
Dikany faharoa: entina hilazana vintana (chance) koa ny hoe "Alahamady" ka iray amin'ireo reni-vintana efatra amin'ny malagasy izy. Ny volana 12 mantsy dia samy manana ny vintany avy, izany hoe zanabitana ny volana 8 amin'izany.28 andro eo ho eo moa ny volana iray tamin'ny fanisan'andro malagasy ary ny andro iray dia mitondra anarambolana roa dia ny volana diavina ( io no reny vintana) sy anarambolana iray hafa(zanabitana).Ohatra volana diavina, Alahamady (renivintana), fa ilay zanabitana alohontsy: dia Alahamady alohontsy no vitan'ilay olona. Fa misy kosa olona sady teraka tamin'ny volana alahamady no mbola zanabitana (vava-)alahamady. Toa an-dRalambo, Andriamasinavalona ary Andrianampoinimerina izany.Ny volana alahamady hono no volana tsara indrindra satria ny olona teraka eo dia natao hitondra fanjakana. Ralambo zafikelin-dRabiby dia teraka ny vava alahamady koa lasany ny fanjakana. Tamin'i Rabiby dia voalohan'ny volana amin'ny volana 12 ny volana alahamady.
Tato aoriana, mba ho fahatsiarovana ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany dia nataon'i Ralambo amin'ny volana alahamady ny fandroan'andriana ka "Alahamadibe" no iantsoana io andro iray amin'ny volana alahamady hanaovana ny fandroan'andriana io. Tamin'izany dia lasa fomba fiheverana fa io fitsingeranan'ny fahatsiarovana ny andro nahaterahan-dRalambo io no lasa tonon-taona sy noheverina ho toy ny voalohan'ny taona na " asaramanitra". Tamin'i Ralambo dia nifanindry ny alahamadibe, ny fandroan'andriana ary ny asaramanitra. (tohiny...)
|
|
◄ ►
|
|
|
|
|
|
|
|
Ny tanjona ho an'ity taona ity dia mahavita manoratra lahatsoratra 120 mikasika ny tantaran'i Madagasikara.
|
|
Ankehitriny eto amin'ny wikipedia malagasy, ny isan'ny lahatsoratra efa noforonina dia misy 38 754. Mpikambana 5 193 no efa nisoratra anarana teto, ary 27 tamin'ireo no nanova pejy teto tamin'ny 30 andro lasa teo.
- Ny Wikipedia dia raki-pahalalàna azon'ny tsirairay ovaina, ary tonga dia hitan'ny mpitsidika avy hatrany ny fanovana notehiriziny, raha manaraka ny fitsipika napetraky ny fikambanana. Misy pejy fanoroana sasantsasany afaka manoro anao hoe ahoana no manova ny pejy na manova lahatsoratra, na mampiditra sary. Anontanio ny mpandrindran'ity wiki ity raha manana fanontaniana manokana ianao.
- Ho raisina ao amin'ny pejin-dresaka na ao amin'ny toerana iombonana ny adihevitra mety hisy mikasika ny lahatsoratra. Ny pejin-dresaka dia ahafahana manapa-kevitra momban'ny votoatiny tokony apetraka na tokony esorina, ary ahafahana maminavina ny hatsara ny lahatsoratra.
|
SOKAJY
|
|
|
- Raha misy afaka manampy dia maika indrindra ny fandikana amin'ny teny malagasy ireo teny rehetra miasa amin'ity fitaovana ity. Jereo eto ary dia mametraha sosokevitra amin'ny dinika (talk) isaky ny teny.
- Tsara atao koa no manampy ny mpandika teny miteny malagasy any translatewiki. Aloha no manampy ny mpandika teny any Translatewiki, Tsindrio eto .
- Eo koa ireo teny mila votoatiny izay efa mirohy amin'ny takelaka hafa.
|
|
|